Nambaran-dRandriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tany Maroc, fa handray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina “Cosafa”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, i Madagasikara. Nilaza izy fa hiavaka kely ny amin’ity, hanafatra mpilalao mpilaravinahitra any ivelany ny federasiona mba hanamafy ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha ny filazany, maro […]
Fanatajahantena
JJB-Fight Cage : hifanandrina amin’ny Renioney ny Malagasy
Hatao ny 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Fight Cage”. Ny mpikatroka avy any La Réunion no hifanandrina amin’ ny Malagasy. Ny Guerreros Team no mikarakara ny fifaninanana ary miara-misalahy amin’izy ireo amin’izany ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana sy ny Kaomisiona malagasin’ny Pancrace. Taranja 3 […]
DAKA AN-JORONY: Tsy misy sarotra tsy azo resena
Mbola ambentin-dresaka hatramin’ny androany ny Barea de Madagascar. Hiaka-tsehatra indray ry zalahy, anio. Ho fantatra eo ny ho tohin’ny lalana na ho tratra ny tanjona na ho rendrika ny sambo. Be izay voalaza izay, mbola misy koa anefa ny sisa. Ka andeha atao soro-baton’ilay jamba, voa vao mihilana. Tsy fotoanan’ny […]
Ping-Pong: Klioba zandriny saingy sangany ny Challengers
Tsy mitsahatra ny mivoatra ny klioba Challengers eo amin’ny tontolon’ny ping-pong eto an-toerana. Vao 8 volana nitsanganana, efa nahavita dingana goavana. Namoaka mpilalao nandrombaka ny tompondakan’i Afrika Atsinanana 2024 izy ireo. Miroborobo ny fananganana ekipa eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Anisan’ireny ny Challengers eo amin’ny taranja Ping-pong. Klioba mifaninana ao […]
Sombim-baovao
Hatao ny 23 novambra izao, eny amin’ny Henri Fraise Ankorondrano, ny fifaninanana Tournament, -71 kg sy -60 kg, taranja Muay Thaï. Mety hisy ihany koa ny ady ho an’ny sokajy maherin’ny 100kg raha ny fandaharam-potoana efa heno. Nitohy ny faran’ny herinandro teo, rehefa nisy fiatoana kely, ny fifaninanana “Fety de […]




