Fanatajahantena

Tetikasa baolina kitra : misokatra ny Dato Akademy Mahazaza

Ho fampivoarana ny taranja baolina kitra eny ifotony, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 14 jona lasa teo, teny Antanetibe Mahazaza, distrikan’Am­bohi­dra­trimo Antananarivo, ny Dato Akademy Mahazaza. Te­tikasa iray novolavolain’ny Dato FC, avy any Farafangana sy ny kaominina eny an-toerana izy ity. Efa misy manerana ny distrika maro ny Dato […]

Basikety N1B (L) : hiditra amin’ny ampahefa-dalana

Andro vitsy sisa dia ho fantatra izay ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana N1B lehilahy, taranja basikety. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana sahady ny fifaninanana. Raha ny lalao ampahavalon-dalana omaly, niady ny fifandonana teo amin’ny RBC Boeny sy ny 3FB Atsimo Andrefana. Isa roa monja (49-47) ny elanelana nisy teo amin’ny roa […]

Atleta avy any Chine : nigadona an-tanindrazana ny delegasiona voalohany

Tonga omaly alakamisy 15 jona, eto an-tanindrazana, ireo atleta niofana tany Chine, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Nizara andiany roa izy ireo ka ny delegasiona voalohany no tonga, nahitana ny avy ao amin’ny atletisma sy ny fibatana fonjamby. Afa-po tamin’ny fampiofanana ny atleta, nambaran’i Ricardo Elarion, mpibata fonjamby. Maro, hoy […]

Lalao iraisam-pirenena : hanomboka ny fampivondronana ireo mpikatroka Judo

Lalao iraisam-pirenena 3 no miandry ny federasiona malagasin’ny judo ato anatin’ny telo volana. Ahitana ny lalaon’ny Nosy sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao eto Madagasikara ary ny “Jeux de la Francopho­nie”. Ho fanomanana, hiditra amin’ny fampivondronana ny judokas ny FMJ. Hanomboka amin’ny faran’ny herinandro izany. Mandritra izay no […]