Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Elgeco plus By-pass, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa nasionaly, « World Cola Ligue des Champions ». Nahazo ny laharana voalohany ny FC Avenir du Sud. Efa fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba tafita any amin’ny diviziona voalohany «Pureplay Football League (PFL)». Nahazo ny tapakila […]
Fanatajahantena
Kianja CFFA Andoharanofotsy: Nomena ny mpianatra hanaovana fanatanjahantena
Teny natao, tsy maintsy tanterahina. Natolotry ny klioba CFFA Andoharanofotsy ho an’ireo sekoly ao anatin’iny faritra Andoharanofotsy iny ny kianja filalaovam-baolina azy ireo. Ny alakamisy lasa teo no natolotra tamin’ny fomba ofisialy izany. Laharam-pahamehana amin’izany ny hanaovan’ny mpianatra fanatanjahantena. Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), ben’ny Tanànan’Andoharanofotsy sady filohan’ny ligin’Analamanga taranja baolina kitra, […]
Sombim-baovao
Nitohy ny sabotsy sy alahady lasa teo ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B. Lalao 29 no nitranga tamin’ny kianja telo, ka anisan’ny nifanandrina ny L2VB sy ny Zoulou Papa (52-56), sokajy Vétérans. Hiditra amin’ny andro faha-5, anio, ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly, N2A elites […]
Judo – Maneran-tany : hisolotena ny Malagasy Rasoanaivo Laura
Hanainga rahampitso Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy -70kg, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja Judo. Fifaninanana izay hatao ny 2 hatramin’ny 8 oktobra izao, any Douchambe Tadjikistan. Ny alahady 6 oktobra izy no hiakatra tatami ary judokas 39 maneran-tany no hiady ny anaram-boninahitra eo amin’ny sokajy misy an’i […]
Volley-Mada D1: nanao pao-droa ny ekipan’ny GNVB
Mbola mitazona hatrany ny maha sangany azy eo amin’ny sokajy “1ère division”, taranja volley-ball, ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball). Vokatra tsara no azon’ny ekipa, omaly, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, nandritra ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, “1ère division”. Samy nandrombaka ny fandresena avokoa ny GNVB na ny […]




