Hotanterahina ny 23 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra anaty efitrano, Futsal. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny sokajy U13, U15, U17 ary ny zokiny Vétérans sy super Vétérans no handray anjara. Hifarana ny 15 oktobra ho avy io […]
Fanatajahantena
Olympiades d’Echecs : nahazo ny « Candidat Maitre » i Ismael
Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara nandritra ny fifaninanana « Olympiades d’échecs », andiany faha-45, natao tany Budapest, ny 10 hatramin’ny 23 septambra teo, na dia tsy nahazo medaly aza. Atleta malagasy 3 mianadahy no nahazo anaram-boninahitra, taorian’ny fifaninanana. Anisan’izany i Miora Ismael, izay nahazo ny “Candidat Maitre” (CM). Tao amin’ny sokajy “Open” no […]
Rugby « WXV III »- sokajy vehivavy : hifanandrina amin’i Espagne ny Makis Ladies
Hanomboka anio ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, izay hatao any Dubaï. Ny ekipa nasionalin’i Espagne no hifandona amin’i Madagasikara. Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja Sevens Stadium Dubaï, ny fihaonan’ny Makis Ladies de Madagasikara sy ny Las Leonas Espagne. Lalao izay tafiditra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena taranja […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 23 oktobra ka hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena amin’ ny baolina kitra lalaovina anaty efitrano «futsal». Fifaninanana karakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hisy sokajy dimy izany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany, ny U13 ; U15 ; U17 ary ny «véteran» mihoatra ny 35 taona sy […]
Handball – Mada 2024 : hiatrika ny CCCOI izay tompondaka
Araka ny tapaka teo anivon’ ny fikambanan’ny handball eto amin’ny ranomasimbe Indianina (AROI), hotanterahina eto Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompondaka (CCCOI 2024). Hampiantrano izany ny ligin’ Analamanga ka raha tsy misy ny fiovana farany, hatao ny 14 ka hatramin’ny 23 novambra 2024, izany […]




