Fanatajahantena

Slalom – Mada 2024: hiditra amin’ny dingana fahenina

Hotanterahina ny sabotsy 28 sy ny alahady 29 septambra ho avy izao, eny amin’ny “circuit” SRK Imerintsiatosika ny dingana fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Slalom sy ny course de côte, taranja mekanika. Fihaonana karakarain’ny klioba FMMSAM. Hanana ny lanjany goavana ity fihaonana ity. Satria, dingana mialoha ny […]

Basikety-N1A : lalao 8 avy hatrany ny hanombohana ny fifaninanana

Hanomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy Petit Palais Mahamasina ny dingana faran’ny Elites 8. Fifaninanam-pirenena N1A, sokajy lehilahy sy vehivavy, taranja basikety. Fantatra taorian’ny fivoriana ara-teknika, natao omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, fa lalao valo avy hatrany no hanombohana ny fifaninanana ho amin’ny anio. Hifandona voalohany, ny ekipan’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafito fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, federaly I, “XXL Top 12”. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny 3FB sy ny TFA Anatihazo. Nilaza ny eo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF), omaly, fa […]

Tsipy kanetibe : afaka milalao ireo mpila ravinahitra

Handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe lalaovin’olona telo miaraka, izay hatao any Dijon, amin’ity taona ity, i Madaga­sikara. Ho fiatrehana izany, namoaka fanambarana ny Federasiona malagasin’ny taranja tsipy kanetibe (FSBM), omaly, tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo. Misy andininy efatra izany ka ani­san’ny goavana indrindra ny fahafahan’ireo […]

« D2 Nationale »: mitana ny laharana voalohany ny FC A

Notontosaina omaly, teny amin’ireo kianja roa, Ambohi­dra­trimo sy Elgeco Plus By-pass, ny andro fahefatra, lalao miverina, amin’ny fifaninanam-pirenena « Poule des As » diviziona faharoa nasionaly, « World Cola Ligue des Champions ». Mbola tsara toerana ny ekipan’ny FC Avenir du Sud Anosy. Nahazo isa telo indray izy ireo, omaly, teny Ambohidratrimo, rehefa nandresy ny […]