Fanatajahantena

Beach Soccer – “Can 2024”: tsy ao anaty lisitra ny Barea de Madagascar

Tsy anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika na beach soccer ny Barea de Madagascar. Valo ireo firenena hiady ho lohany amin’ity. Notontosaina tao amin’ny foibe toeran’ny Kaon­federasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) tany Egypta, ny alakamisy 19 septambra lasa teo, ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Niady tanteraka ny lalao teo amin’ny TIIA BC sy ny Dalton, sokajy Vétérans, nandritra ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, natao teny amin’ny kianjan’ny fokontany Amboditsiry, ny alahady lasa teo. Isa 61 no ho 57 no nisarahan’ny roa tonta, ka nivoaka mpandresy ny ekipan’ny Dalton. Nafana tanteraka ny lanonana nankalazana […]

Karate-Analamanga : nahazo vokatra tsara ny Makawa

Tsy nitsanga-menatra ny klioban’ny Makawa, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja karate, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina. Tsara ny vokatra ho an’ity klioba ity. Medaly volamena 3, volafotsy 4 ary alimo 2 no azon’ny mpikatroka avy amin’ny Makawa. “Niezaka ny tsirairay”, raha ny nambaran’ny mpampianatra […]

Federasiona Taekwondo malagasy : nofoanana ny fampivondronana ny ekipam-pirenena

Tsy raikitra ny fampivondronana an’ireo mpikatroka taekwondo 33 mianadahy izay tokony hatao rahampitso. Raha ny fantatra, efa nandefa anarana atleta roa mialohan’ny fotoana ny filohan’ny Federasiona malagasy taranja Taekwondo teo aloha, ka tsy misy antony hanaovana ny fampivondronanana farany intsony. Hotanterahina any Ko­rea, ny 1 hatramin’ny 6 oktobra ho avy […]