Efa eo amin’ny andiany faharoa ny fampiofanana ho an’ireo mpampianatra karate, hahazoana ny mari-pahaizana DAF(Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 16 mianadahy no manaraka izany, nanomboka ny alahady lasa teo. «Haharitra dimy herinandro eo ny fiofanana hatrehan’ireo mpampianatra ny taranja karate , andiany faharoa ireo » hoy ny filohan’ny Federasionin’ny karate-do malagasy (FKM), Ratefinanahary […]
Fanatajahantena
Tournoi député Fidy : Nafana ny manasa-dalana omaly
Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja zaridainan’Ikopa Anosizato, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana inter-fokontany, izay karakarain’ny solombavambahoakan’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré, na fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe député Fidy. Tafita hiatrika ny famaranana amin’izany ny ekipa avy any Ambohibarikely sy ny avy etsy Madera Namontana. Araka ny vokatra azo omaly, lavon’ny […]
« World Cola PFL »: Lavon’ny Fosa Juniors ny CFFA
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “World Cola PFL “. Anisan’ny fifanandrinana tena nandrasan’ny maro tamin’ny omaly, teny Iavoloha, ny lalaon’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Fosa Juniors Boeny. Nisongadina ny ekipan’ny Boeny tamin’izany, lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 ny mpilalaon’Andoharanofotsy. […]
DAKA AN-JORONY: Ny feno tsy mba mikobana
Ny mihazakazaka tsy mba dia ary ny horakoraka tsy mba kalo. Ao anatin’ny fiatrehana fifaninanana goavana avokoa ny ankamaroan’ireo taranja isanisany. Araka izany, efa anatin’ny fanomanana avokoa ny tsirairay. Ny jafajafan-dia nefa fanaon’ny matanjaka, ny rodorodo famindra fanaon’ny mahery, fa ny lantolantom-pihetsika kosa an’ny manam-panahy. Samy manana ny fomba fanomanany […]
Rallye: Niala ny filohan’ny Federasionina sport automobile de Madagascar (FSAM)
Nanapa-kevitra ny hametra-pialana ny filohan’ny Federation sport automobile de Madagascar (FSAM), rehefa tsy tazana nandritra ny taom-pilalaovana 2024. Nanipy ny fanohizana ny fitantanana any amin’ireo filohan’ny klioba izay nanangana ny rafitra tetezamita izy, mandra-pahatonga ny fifidianana vaovao. Nampahafantarin’ny komity mpanatanteraka tetezamita ny mpanao gazety teny Marais Masay, ny zoma lasa […]