Tontosa omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny manasa-dalana roa hiadiana ny ho tompondaka “Fédéral 2”, taranja rugby. Tafavoaka ho mpandresy ary hiatrika ny famaranana ny RCSA Anosibe sy ny Rosa Club de l’Imerina. Efa tany amin’ny minitra farany vao nahazo ny tapakila hanohizany ny dia ny Rosa, nanoloana ny […]
Fanatajahantena
Karate : Nosokafana omaly ny seminera ho an’ny “cadres”
Nosokafana omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny seminera natokana ho an’ny “cadres”, ahitana mpanazatra, mpitsara ary mpitantan-draharaha eo anivon’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy. Omaly vao nanomboka nisoratra anarana ireo hiatrika ny seminera ka tsy mbola fantatra ny isan’izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasionina, Ratefinanahary Emile. Tanjona ny hahazoana “cadres qualifiés”, […]
Gymnastique Rythmique : Nahazo fitaovana ireo klioba
Nahazo fitaovana avy amin’ny Federasionina malagasin’ny gymnastique, ireo klioba vao avy niatrika “Master class”, ny 16 avrily lasa teo. Tsy mitsahatra ny mampiroborobo ny taranja ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Gymnastique. Ho fampirisihana sy fanohanana ireo klioba sy ny atleta ao aminy, nisy ny fanomezana fitaovana ho azy ireo avy […]
Pureplay Football League : Hiady ny tapakila ny Mama FC sy ny CFFA
Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity, ny andro faha-13 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Pureplay Football League (PFL)”. Ho an’ny Kaonferansy Atsimo, ho toy ny famaranana kely mihitsy ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Mama FC sy ny CFFA Andoharanofotsy. Fihaonana izay hotanterahina, rahampitso, etsy amin’ny Kianja Imeritsiatosika. […]
Judo-Afrika Seniors: Judokas malagasy 12 hihazo an’i Nairobi
Hotanterahina any Nairobi, ny 24 sy 25 avrily izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Seniors, taranja Judo. Malagasy mpikatroka 12 no hisolo tena an’i Madagasikara. Tsy ho diso anjara i Madagasikara ary tena mafonja ny delegasionina satria raha judokas 8 no novinavinain’ny federasionina fa hifaninana dia nitombo ho 12 […]




