Fanatajahantena

Rugby – Manasa-dalana Top 12 : Vonona haka fandresena ny Uscar

Anisan’ny fihaonana goavana, andrasan’ny rehetra, ny donan’ny Uscar sy ny CEA Andranomanalina. Ho toy ny famaranana kely io kopaka io. Vonona ny hanala vela sy haka fandresena ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. “Hatreto, tsy misy mieritreritra izany Uscar izany hanao famaranana amin’ity Top 12 ity”, hoy i Berthin Zoto, mpandrindra […]

Tenisy – Davis Cup : Ao amin’ny sokajy A ny Malagasy

Nanomboka omaly ka haharitra hatramin’ny 25 jolay ho avy izao, any Congo Brazzaville, ny fifaninanana Davis Cup, sokajy lehilahy, aty amin’ny faritra Afrika, vondrona fahadimy. Araka ny fikarohana natao, omaly, mifanintsana ao amin’ny sokajy “A”, miaraka amin’i Mauritanie sy Ethiopie, i Madagasikara. Fanamby lehibe iray ho an’ny Malagasy indray ity. […]

Tsipy kanetibe : Handray anjara ny ekipan’ny UBMT

Hotanterahina ny sabotsy 12 sy ny alahady 13 aogositra ho avy izao ny « L’Odyssée des Nations », taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana hatao ao amin’ny Kianja Arena, Montpellier. Anisan’ireo hiatrika izany ny ekipan’ny UBMT, ahitana an’i Onja sy i Donald ary i Tinakely. Ma­rihina fa fifaninanana goavana izy ity satria handraisan’ireo andrarezina […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina manomboka anio, hatramin’ny sabotsy 25 jolay, any Casablanca Maroc, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “cadet” sy “junior”, eo amin’ny taranja judo. Manana solontena 7 miana­dahy i Madagasikara ka 3 «cadets» ary 4 «juniors». Nahita fahombiazana ny Ankoay, sokajy vehivavy, latsaky ny U23, raha nihaona tamin’i Alzeria, nandritra […]

Kitra – Yas Coupe 2026 : Tafita amin’ny famaranana ny AS Ste Anne sy ny FC Rouge

Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ i Madagasikara, “Yas Coupe 2026”. Nahazo ny tapakila hiatrehina ny famaranana ny AS Ste Anne sy ny FC Rouge. Ny ekipan’ny AS Ste Anne Bongatsara sy ny FC Rouge no hiatrika ny lalao famaranan’ny “Yas Coupe […]