Fanatajahantena

Rugby : tsara sedra tamin’i La Réunion ny Makis

Nisaraka ady sahala, 40 no ho 40 tamin’ny ekipan’i La Réunion ny Makis de Mada­gascar, nandritra ny lalao sedra. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Makis Ando­ha­tapenaka. Saika ireo mpilalao zandriny U20 no nidona tamin’ireo renione, tamin’izany. Tsara sedra ireo zandrikely izay efa manomboka mametraka ny fahaiza-manaony. […]

Federasion’ny tenisy : hampivondrona ireo teknisianina

Taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja tenisy, natao tany Antsirabe, ny 5-11 desambra, nisy ny fivoriambe ara-potoana, notarihan’i Naina Zan­dina, filohan’ny Federasiona (FMT) sy ny ekipany, niaraka tamin’ireo filohan’ny ligim-paritra miisa enina dia Ana­la­manga, Antsinanana, Matsia­tra Ambony, Boeny, Vakinan­karatra, Atsimo Andrefana, natrehin’ireo kaomisiona teknikam-paritra (CTR) sy ny solontenan’ny ministeran’ny […]

Lomano-Tompondaka eran-tany: misolo tena ny Malagasy i Tendry sy i Jonathan

Hiditra an-tsehatra, anio, amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, 25 metatra, tanterahina any Aostralia. Malagasy roa ny misolo tena an’i Madagasikara. Hanomboka anio talata 13 desambra ao Aos­tralia, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, 2022, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 metatra. Tsy diso anjara amin’ity fifaninanana ity i Madagasikara. I […]

Judo-“Tournoi de Tokyo pour les malvoyants” : Niatrika ady miisa roa i Nampoina Daniel

Nifarana, omaly, tany To­kyo Japana, ny “Tournoi pour les malvoyants”, nandraisan-dRakotoarivelo Nampoina Da­niel, judokas malagasy jamba, anjara. Resy teo amin’ny traikefa sy teknika ity solontena malagasy ity. Uzbekistanais, tompondaka Olympika, medaly volamena, no nifanandrina voalohany tamin’i Nampoina, araka ny antsapaka natao. Araka ny fitantarany, nahazo wazari ilay teratany Uzbekis­tanais fa […]

Tenisy – Mada 2022: nanjakan’Analamanga ny fifaninanam-pirenena

Nifarana omaly, teto amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Fifaninanana voalohany natao tany amin’ny faritra, ho an’ny federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Nanjakan’ireo mpila­laon’ Ana­lamanga avokoa ny am­boara teo amin’ny lalao famaranana, indrindra ho an’ny sokajy vehivavy. Isan’izany, ny nibatan-dRasendra Mio­tisoa ny fandresena, […]