Fanatajahantena

Ligue des Champions : « Tsy ilain’ny PSG i Messi », hoy Rothen

Taorian’ilay fihintsanan’ny Paris Saint Germain FC (PSG), klioba Frantsay, nandritra ny lalao ampahavalon-dalana miverina ny «Ligue des Champions 2023» dia namoaka ny alahelony i Jé­rôme Rothen, mpilalao parizianina fahiny (2004-2009). “Tsy ilain’ny PSG ny manavao ny fifanarahana amin’i Lionnel Messi, lohalaharan’ny mpanjakan’ny «Ligue 1». Raha mbola milalao ao Parc des […]

Lomano-Vive l’Avenir : mpilomano 230 mahery no andrasana

Hetsika efa ahafantarana ny klioban’ny Saint Michel isan-taona, ny fifaninanana “Vive l’Avenir”, ho an’ny taranja lomano. Raikitra in­dray ny fifaninanana amin’ity taona 2023 ity, ka hotanterahina rahampitso sabotsy sy ny alahady izao, ny andiany faha-11, eny amin’ny ANS Ampefiloha. Manodidina ny 230 eo ny mpilomano andrasana, izay nanasana ireo klioba […]

Tenisy ambony latabatra-Afrika: resin’ny Malagasy ny ekipan’i Kenya sy Ethiopie

Tsara fidirana ny ekipa malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra. Fifaninanana izay tanterahina any Djibouti, na­nomboka omaly 9 marsa ary hifarana ny 12 marsa izao. Nandresy avy hatrany ny ekipan’i Kenya ny solontena malagasy, teo amin’ny senior lehilahy, omaly, teo amin’ny […]