Anisan’ny manana anjara amin’ny fotodrafitrasa notokanana tany Moramanga, omaly, ny tanora mpanao fanatanjahantena. Kianja syntetika mahazaka mpijery 1 000 no notokanan’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja. Nambaran’ny minisitra fa antoky ny fahombiazan’ny atleta ny fananana fotodrafitrasa tsara sy manara-penitra. Porofon’izany ny vokatra tsara […]
Fanatajahantena
“Can 2024” : hanala vela sy hanao valinady amin’i Nigeria i Côte d’Ivoire
Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024). Hamarana izany ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Voromaherin’i Nigeria. Hifantoka ao amin’ny kianja Alassane Ouattara ny sain’ny rehetra, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra amin’ity faran’ny herinandro ity. […]
“Pureplay Foot-ball League”: hanomboka rahampitso ny fifaninanana
Hotanterahina manomboka amin’ny faran’ny herinandro ho avy io ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra. Mialoha izany, nisy, omaly, ny fivoriana nataon’ny fikambanana CFEM, izay tarihin-dRakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny CFEM, teny Andoharanofotsy. Niresaka mahakasika ny fifindran’ireo mpilalao sy ny fanolorana ny baolina izay holalaovina mandritra ny […]
Kick Boxing: hivondrona ny ekipa nasionaly
Eo am-panomanana fifaninanana iraisam-pirenena, izay hatao ny 31 marsa izao, ny taranja kick boxing malagasy. Hahafahana miatrika izany, ao anatin’ny fepetra tsara, hiatrika fampivondronana ireo mpikatroka mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy. Manomboka ny 10 febroary izao, ao amin’ny RKC Ivandry, izany fampivondronana izany, araka ny fampitam-baovao nataon’ny Tale teknika nasionaly […]
Tenisy – “J200 Cairo”: tafita amin’ny manasa-dalana i Mitia Voavy
Mitohy hatrany ny lalan’ny solontenan’i Madagasikara amin’ny fifaninanana “J200 Cairo”, amin’ny lalao ho an’olon-tokana, sokajy vehivavy. Anisan’ireo efatra voalohany amin’ity fifanintsanana ity i Voavy Mitia. Notanterahina omaly ny lalao ampahefa-dalan’ ny fifaninanana “J200 Cairo”, taranja tenisy, sokajy “junior”, lahy sy vavy, izay hatao any le Caire Egypte. Tafakatra amin’ ny […]




