Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ireo ekipa tafita amin’ny dingana farany “Poule des As”, diviziona faharoa (D2) nasionaly. Klioba efatra no hiatrika izany. Anisan’izany ny FC Theo Sava, AS Fos Analanjirofo, ny FC Avenir du Sud Anosy ary ny FCA Ihorombe. Tsiahivina fa teo amin’ny […]
Fanatajahantena
Rugby “XXL Top 12”: sarotra ho an’ny Tam ny mandresy ny TFA Anatihazo
Nitohy omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, “XXL Top 12”, Federaly I. Manomboka miverina amin’ny heriny ny TFA Anatihazo, izay nandresy ny Tam Anosibe, tamin’ny isa 35 no ho 31. Fihaonana tena nandrasan’ny maro teny an-toerana ity. Raha hiverenana ny fifanandrinana teny […]
Judo-“Tournoi de Capricorne” : notolorana grady, 7e Dan, ny Maître Ashik Houssen
Nifarana omaly, ny andiany faha-28, “Tournoi de Capricorne”, taranja Judo, notontosaina tany Toliara, sokajy Poussins hatramin’ny Seniors. Ankoatra ny fifaninanana, notolorana grady, 7e dan, ny Maître Ashik Houssen Mamodaly, izay namorona ity “Tournoi de Capricorne” ity. Araka ny fantatra, nanorina ny klioban’ny Judo Toliara ihany koa izy na ny HMS, […]
DAKA AN-JORONY : Aza lany andro mitatasika
Ilaina fitiavana ny fanatontosana asa na zavatra iray eo amin’ny fiainana. Na misy aza ny fikirizana rehefa tsy atao am-pitiavana izany, tsy tonga lafatra. Na izany aza, aleo ny asa no hitsarana ny olona fa tsy ny vavany. Misy karazany mantsy ny mpiasa; ao ireo mivarotra ny vavany. Raha resaka […]
Volley-U20 : nahazo ny amboara ny MVBC sy ny Asi
Tontosa tany Antsirabe, nanomboka ny 25 aogositra lasa teo hatramin’ny omaly, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy U20, taranja Volley-ball. Voahosotra ho tompondaka, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny ekipan’ny MVBC Boeny ary teo amin’ny sokajy lehilahy ny GNVB, nandritra ity fifaninanana natao tany Antsirabe ity. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nifanandrina […]





