Voahosotra ho tompondaka, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 20 taona, taranja basikety, ny BCTT Atsimo Andrefana sy ny JEA Vakinankaratra. Fifaninanana natao tany Farafangana, nanomboka ny 24 aogositra lasa teo ary nifarana, omaly. Mitohy hatrany ny fitsidiham-paritra ataon’ny Federasiona malagasin’ny Kung Fu. Ny tany amin’ny faritr’i […]
Fanatajahantena
D2 Nasionaly : fantatra ny ekipa tafita tany Ambatondrazaka
Notontosaina omaly, tany Ambositra sy Ambatondrazaka, ny andro faran’ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions 2024”. Ny klioban’ny FC Theo Sava sy ny AS Fos Analanjirofo, no tafavoaka any amin’ ny “Poule des AS”, tao amin’ ny vondrona […]
Barea de Madagascar : Niverina i Carolus sy i El Hadary
Naratra ka tsy afaka ny hiatrika ny lalao hiarahana amin’ny Barea, amin’ny fifanintsanan’ny “Can 2025” i Hakim Abdallah sy i Ponti. Nantsoina hisolo azy ireo i Carolus sy i El Hadari. Ankoatra izay ho avy avokoa ireo mpilalao rehetra nantsoina. Efa ao anaty fanomanana tanteraka ny Barea, amin’izao 4 andro […]
Padel – « Island Cup 2024 »: hampiantrano ny fifaninanana i Madagasikara
Sambany! Hampiantrano ny andiany voalohany amin’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island Padel Cup”, i Madagasikara. Hotontosaina manomboka ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao, eny Soavina Atmosphère, ny fifaninanana. Firenena telo no hifanintsana amin’io lalao io: i Madagasikara, mpampiantrano, sy ny Nosy rahavavy La Réunion ary i Maurice. Araka ny fanazavana […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, ny alakamisy lasa teo. Nambarany fa voafaritry ny didy aman-dalàna tokony hotanterahin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta ny fanambaram-pananana ka izany no antony nanaovany izany vantany vao nandray ny toerana maha minisitra azy izy. Nahita vokatra […]





