Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « XXL Top 20 », federaly II. Norombahin’ny CEA Andranomanalina izany, rehefa lavon’izy ireo, 23 no ho 17, ny 3FAI Ambalavao Isotry. Tsiahivina fa hiakatra Top 12, izay voalohany amin’ity, ary manao lalao sakana kosa, ny 3FAI izay faharoa. […]
Fanatajahantena
Fifaninanana « Za Go Janga »: Nanotrona ny hetsika ny minisitra Marson Moustapha Abdulah
Notontosaina teny Tsararano Mahajanga, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fifanintsanana fanatanjahantena mekanika “Circuit Za Go Janga”, andiany faha-13. Tonga tany an-toerana nanotrona ity hetsika ity ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Maro ny lalao nandeha teny an-toerana. Anisan’ny sokajin-dalao tamin’izany ny hazakaza-piarakodia sy ny […]
Rugby Afrika- “Top 8”: Tsy naharesy ny ekipan’i Maroc ny Makis de Madagascar
Tsy tafavoaka tao amin’ny vondrona “B” nisy azy ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiakarana “Top 8” eto Afrika. Lavon’i Maroc, 53 no ho 37, i Madagasikara. Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Casa Blanca Maroc, ny lalao famaranan’ny sokajy “B”, izay nifanandrinan’ny Makis de Madagascar, sy ny […]
Rugby – «Top 8 Afrique» : hanala vela amin’i Maroc ny Makis de Madagascar
Hifantoka atsy Maroc ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity, indrindra fa ny mpiondana baolina lavalava. Hiady ny tapakila hidirana ao anaty «Top 8 Afrique» mantsy ny Makis de Madagascar sy i Maroc, mpampiantrano. Hotontosaina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja Casa Blanca Maroc, ny fihaonan’ny roa tonta, ho […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina rahampitso 24 novambra, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana «Combat Avenir», taranja kick boxing. Fifaninanana karakarain’ny Lion Force. Efa miditra amin’ny andiany faha-4 ity ady goavana ity, ahitana ny Full Contact, K1 ary ny Low Kick. Efa nanomboka ny 18 novambra teo, hifarana rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco […]