Fanatajahantena

Baolina kitra maneran-tany : Rendrika Italie, firenena 4 vaovao hiatrika ny «Mondial 2026»

M-3 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026” baolina kitra, anio. Tontosa avokoa ireo lalao sakana ary efa fantatra ireo firenena 48 hiady lohany amin’ity. Nahatafita firenena 10 i Afrika. Ekipa goavana tsy tafita i Italie. Taorian’ny lalao sakana ny talata lasa teo, fantatra avokoa ireo firenena rehetra tafita […]

Trail de Maurice : Lasan’i Hajanirina ny medaly volamena

Norombahin’i Hajanirina, atletan’ny Crown Vakinanka­ratra, ny laharana voalohany sy ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Maurice tamin’ny hazakazaka anaty natiora na ny Trail, ho an’ny halaviran-dalana 32 km. Fifaninanana nokarakarain’ny ligy any an-toerana, ny sabotsy 28 marsa lasa teo. Notarihiny hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hazakazaka. […]

Lalao ara-pirahalahiana Fifa: Nisaraka ady sahala tamin’i Guinée Equatoriale ny Barea

Fandresena sy sahala no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tany Turquie. Mety hijanona eo amin’ny laharana faha-104 ny ekipam-pirenena malagasy. Tsy nisy ny nivoaka mpandresy! Nisaraka ady sa­hala tamin’ny isa 1 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara sy ny Nzalang Nacional Guinée Equatoriale, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay natao, omaly, tao […]

Hazakazaka maneho firaisankina : Hanampiana ny hopitalin’ankizy ny vola azo

Hotanterahina ny alahady 26 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika ha­zakazaka maneho firaisankina. “Course solidaire La vache qui rit” no anarana isalorany amin’ity andiany voalohany ity. Mpandray anjara maherin’ny 3 000 isa no andrasana, araka ny fanambarana nataon’ny mpikarakara, omaly, teny Mahamasina. Hizara efatra ny fifaninanana. Voalohany, misy […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina, anio, ao amin’ny Kianjan’ny Emir Complex, Antalya Sport Torkia, ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy i Guinée Equatoriale. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa », ary ho fantatra aorian’izany ny filaharan’ny Barea. Nahazo isa telo indray ny AS Ste Anne, afakomaly, tetsy Iavoloha, raha nifandona tamin’ny ekipan’ny Uscafoot. Lavon’izy […]