Fanatajahantena

Malagasy rugby: andrasana ny sazin’ireo ligy dimy

Niatrika ny “Codis” ireo filohan’ny ligy dimy tsy manaiky ny nahalany an-dRakotomalala Marcel. Nangataka fanazavana momba ny hetsika nataon’izy ireo ny teo anivon’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezana. Tsy mbola nivoaka ny sazin’ireo filohan’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Saingy mbola hodinihin’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezan’ny fanatanjahantena ny […]

Malagasy rugby : hiakatra « codis » ireo ligy 5

Hiatrika ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana na « Con­seil de discipline » ireo filo­han’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Anisan’izany ny filohan’ny ligy Betsiboka, Menabe, Vaki­nankaratra, Atsinanana, Iho­rombe. Izany dia hotantera­hina eny amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby Ankoron­drano, anio 1 marsa. Tsiahivina fa maro ireo fitakiana nataon’ireo filohan’ ny ligy dimy […]

Orange Pro League : hihaona amin’ny Cosfa ny TFFC

Hotanterahina anio ny fihaonana eo amin’ny Cosfa Analamanga sy ny Tsaraman­droso formation FC Boeny. Lalaon’ny andro fahadimin’ ny fifaninanana “Orange Pro League”, ny taona 2023 ho an’ny kaonferansy avaratra. Fifandonana hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambo­hi­dratrimo. Anisan’ny lalao heverina fa hiady izy ity, hiezaka ny haka fandresena ho azy ny TFFC, raha […]

Judo-Tompondakan’i Afrika : horaisin’ i Madagasikara

Vaovao lehibe no nambaran’ny filohan’ny UAJ (Union africaine de judo), Randriana­soloniaiko Siteny, omaly. Mankalaza ny faha-60 taonany amin’ity taona ity ny Judo Afrika ka hetsika sy fifaninanana no hoentina hanamari­hana izany. Eto Madagasikara ny fanokafana ny fankalazana amin’ny volana jolay ho avy izao ka homarihina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

Firenena Japoney : nanome 285 tapitrisa Ar ho an’ny judo malagasy

Mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy ny firenena japoney. Tetikasa famatsiana fitaovana ho an’ny taranja judo, mitentina 285 tapitrisa Ar no nosoniavina, omaly, tetsy amin’ny Hotel Le Louvre Antaninarenina. Nanolotra izao fanampiana ara-pitaovana izao ho an’ny Federa­siona malagasin’ny judo, ny firenena Japoney, noho ny fahatsapany ny lanjan’ny […]