Fantatra izao fa hisolo tena ny faritra fahafito eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “IHF Trophy continental 2024”, ny Akio de Madagascar, sokajy cadet sy junior, lehilahy. Raha tsiahivina, nahazo ny tapakila hiatrehina izany ny cadet taorian’ny fandresen’izy ireo misesy an’i Seychelles sy i Comores. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny […]
Fanatajahantena
Rugby – XXL Top 12: hangotraka ny lalaon’ny Tam Anosibe sy ny 3FB
Hiverina indray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, taorian’ny 2 volana niatoany. Fandaharan-dalao anisan’ny goavana ary andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Tam Anosibe sy ny 3FB. Hotanterahina ny alahady 2 jona ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby […]
Rally Run : hatao ny 2 jona ho avy izao ny dingana faharoa
Hotanterahina eny amin’ny la Base 213 Arivonimamo, ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Rally Run Mada 2024”. “Hiavaka ny fifanintsanana amin’ity. Hasiana lera amin’izay ny lalaon’ireo mpifaninanana Open”, hoy ny mpikarakara, Ranaivo Rindra, filohan’ny klioba Antananarivo Moto Auto (Ama), ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny CT Motors Andraharo. […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanatrika fiofanana natokana ho an’ireo zazavavy mpilalao basikety latsaky ny 23 taona any Kigaly Rwanda, ny 27 mey-2 jona ho avy izao, Rakotonanahary Joanie Anyssa. Hetsika izay mitondra ny anarana hoe « BAL’HER Camp », karakarain’ny Fiba eto amin’ny kaontinantan’i Afrika. Afaka tapa-bolana, handeha ny fifaninanana “Trophée du Choc”, andiany fahefatra amin’ny […]
Mondial 2026 : hanao ny marika matihanina ny Barea
Hanainga anio, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), mety hitondra ny marika matihanina Umbro ny Barea. Raha tsy misy ny fiovana farany eo amin’ny FMF, fanamian’ity marika iray ity no hanaovan’ny ekipa malagasy mandritra […]




