Fanatajahantena

Rugby – Lalao fihantsiana: hanafika ny Makis de Madagascar i La Réunion

Hiseho sehatra indray ny Makis de Madagascar lehilahy, rehefa tsy tazana nandritra ny fotoana maro. Hiatrika lalao fihantsiana ry zalahy amin’izany. Hanafika ny Makis ry zareo avy atsy La Réunion. Nangataka hanatanteraka lalao fihantsiana amin’ny Makis de Madagascar ny ekipan’i La Réunion, sokajy lehilahy “sénior”. Neken’ny mpanazatra sy ny tomponandraikitra […]

Kitra – « Mondial 2022 »: ankafizin’ny mpanao hatsikana ny Séleçao Brésil

 Hanomboka ny alahady 20 novambra izao ny “Mondial 2022” any Qatar. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpankafy momba izany teny Antaninarenina, omaly. Naneho ny heviny ireo tanora mpanao hatsikana. Raitra Mahasarika olona maro eto an-tany ny taranja baolina kitra, indrindra fa ny “Mondial”, naniry mba ho lasa mpanao baolina ny […]

Atletisma: nodimandry i Henri Roger

Misaona indray ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra fa ny taranja atletisma. Nodimandry ny alatsinainy lasa teo i Henri Roger, filohan’ny Federasiona malagasy (FMA), teo aloha. Ny aretin’ny homamiadana, izay efa nitaiza azy nandritra ny fotoana maro no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, filohan’ny komity nasionalin’ny fandrindrana teo anivon’ny atletisma Itompokolahy, ny […]

Karate-Rahantason Mamy: « Andrasana indray ny tena hevitry ny WKF »

Nanatanteraka ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny Federasionan’ny karate malagasy, tarihin’ny Sensei Ratefinanahary Emile. Mpikatroka manodidina ny 700 manerana ny Nosy no tonga niatrika ny fifaninanana. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona fa fahombiazana raha io isan’ny mpikatroka io ary hiroso amin’ny fandaharanasa manaraka ny […]