Hisolo tena an’i Madagasikara, any Johannesburg, mandritra ny fampiofanana basikety ho an’ny tanora mendrika eto Afrika (Basketball Without Broders), Razanakarivelo Christelle sy Andrianjatovo Loic. Fampiofanana hatao ny 3 hatramin’ny 6 aogositra izao ka ny alarobia lasa teo izy ireo no niala teto an-tanindrazana. Niditra tamin’ny andro fahefatra, omaly, ny fiadiana […]
Fanatajahantena
Basikety-Mada U14: hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio
Hifarana afaka 2 andro sahady, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona lehilahy sy vehivavy, hatao any Mahajanga. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 14 taona lehilahy sy vehivavy, nanomboka ny 27 jolay lasa teo […]
“1st Mobil Rally of Boeny” : mirefy 131, 400 km ny dingana manokana
Hotanterahina any Boeny, ny 15 hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao, ny “1st Mobil Rally of Boeny”. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Nambaran’ny Team Gojanga, mpikarakara tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety natao omaly, teny Ankorondrano, fa miisa 14 ny dingana manokana “ES” amin’ity izay mirefy 131, 400 […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiditra amin’ny andro fahefatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara «Top 20», taranja rugby. Lalao efatra no voalahatra hatao etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena. Crai hifandona amin’ny Asa Ambohimanarina. XV Beravina Itaosy hifanazava amin’ny CEA. SCB hifampitana amin’ny FTAM ary ny FBM hidona amin’ny 3FAI. Hotanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, […]
Fifanintsanana “Can 2025” : Any Maroc ny lalaon’ ny Barea sy i Tunisie
Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny alakamisy 5 septambra ho avy izao ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Tunisie ho an’ny vondrona “A”, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, hatao any Maroc. Fihaonana mandroso, tafiditra eo amin’ny andro voalohany ho an’ny fifanintsanana isam-bondrona. Araka ny angom-baovao, […]





