Fanatajahantena

Ivontoerana Carion : Haharitra valo volana ny asa fanavaozana

Efa manomboka ny asa fanorenana ny ivontoeram-piofanana baoliana kitra eny Carion. Tetikasa izay tohanan’ny Federasiona iraisam-pirenena, ary natao hanomanana ny Barea Academy izany. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, oma­ly, teny Carion, ny fanombohana ny asa fanavaozana ny ivontoeram-piofanana baolina kitra eny an-toerana. Tonga nametraka vato fototra, manamarika izany, ny filohan’ […]

Karate-“Challenge du Sud-Est” : Fifaninanana hamaranana ny taona

Ho famaranana ny taom-pikatrohana 2024, taranja kara­te-do, hisy ny fifaninanana “Challenge du Sud-Est”, hatao ny 18, 19, 20 ary 21 desambra izao. Ny ligin’i Fitovinany no mikarakara ny fifaninanana izay hotontosaina any Manakara. Tsy misy ho diso anjara ny sokajy rehetra satria manomboka any amin’ny Pupilles hatrany amin’ny Super-Vétérans dia […]

Federasionin’ny Taekwondo : Tsy nahazo fanasana tamin’ny fiofanana

Hifarana anio ny seminera momba ny fitsaboana ara-pana­tanjahantena sy ny “dopage”, eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay natao nanomboka ny alatsinainy lasa teo, tetsy Mahamasina. Nahazo fanasana avokoa ireo taranja ara-panatanjahantena maro, ankoatra ny Taekwondo WT. Rehefa natao ny fanadihadiana, nilaza ny eo anivon’ny Komity olympika malagasy (Com), fa […]

SOMBIM-BAOVAO

 Hotanterahina ny 26, 27, 28 ary 29 desambra izao, any Farafangana, ny fifaninanana «Agnambahy mifety» andiany faha-4. Fifaninanana karakarain’ny li­gin’ny basikety Atsimo Atsinanana izy ity, iarahana amin’i Minaoharisoa Christiane, Ankoay. Hiavaka ity andiany ity satria hisy taranja hafa hifaninanana ankoatra ny basikety 3×3 sy 5×5.  Notsenaina makotrokotroka, ny talata lasa […]

Baolina kitra U15 : firenena efatra no hifanintsana

Nanatanteraka valandresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy Isoraka, omaly, ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), izay tarihin-dRandriamanampisoa Alfred. Nampahafantarina tamin’izany, fa hanomboka ny 16 hatramin’ny 22 desambra ho avy izao, etsy Mahamasina sy Elgeco Plus By-pass, ny fifanintsanana ho an’ny firenena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny, U15, lahy […]