Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana “Mondial Handball 2023” lehilahy i Frantsa. Araka izany, hanala vela amin’i Soeda izy ireo anio, any Stockholm. Raha hiverenana ny lalao ampahefa-dalana, lavon’ny Les Bleus tamin’ny isa 35 no ho 28 i Alemaina. Fihaonana izay natao tany Pologne, ny alarobia lasa teo. I Soeda kosa […]
Fanatajahantena
Lalao manasa-dalana – « Open d’Australie »… Hifandona i Novak Djokovic sy i Tommy Paul
Hotanterahina anio ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana taranja tenisy “Grand Chelem Open d’Australie”. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonan’ i Novak Djokovic, mpilalao serba sy i Tommy Paul, mpilalao amerikanina. Lalao izay atao ao amin’ny kianjan’i Rod Laver Arena. Manana herijika amin’ny fandresena i Djokovic. Nandavo an’i Andrey Rublev, mpilalao […]
Kick Boxing… Mpikatroka 8 lahy sy 5 vavy hanao JIOI
Taranja anisan’ny hifaninanana amin’ny lalaon’ny Nosy ny kick boxing, sokajy Low Kick, amin’ity taona 2023 ity. Eo an-dalam-pandaminana ny fampivondronana ireo atleta hisolo tena an’i Madagasikara, ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny kick boxing. Atleta 13 ka 8 lahy sy 5 vavy no kasaina handray anjara, araka ny fanazavan’ny Tale […]
Andiany fahatelo… Hatao ny 5, 6, 7 mey izao
Fantatra ny daty ofisialy, hanatanterahana ny hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux), andiany fahatelo, izay hatao ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 5, 6 ary 7 mey ho avy izao. Nambaran’ny mpikarakara fa efa eo an-dalam-panomanana tanteraka ity hetsika ity izy ireo ary seho miavaka no haseho […]
Fanohanana ny Barea Chan… Hiantohan’ny fanjakana ny “Visa” mankany Algérie
Andro iray sisa dia hiatrika lalao ampahefa-dalan’ny “Chan 2022” ny Barea. Horaisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ny saran’ny “Visa” ho an’ireo mpanohana malagasy. Natao ho an’ireo Malagasy any ivelany, maniry ny ho any Algérie. Hotanterahina rahampitso ny lalao ampahefa-dalan’ny “Chan 2022”, hihaonan’ny Barean’ i Madagasikara sy i Mozambika. Manoloana izany, ho fanohanana […]