Niainga, omaly, teny Ivato, tamin’ny 3 ora tolakandro, hihazo an’i Egypte, ireo delegasiona malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Fifanintsanana hanomboka rahampitso. Raha ny vaovao voaray omaly, teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny judo (FMJ), miisa efatra mianadahy, telo vavy, iray lahy, ireo mpilalao hiaro ny voninahitr’i Madagasikara […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny 1/16-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 », taranja baolina kitra. Nisafidy ny hiala an-daharana, noho ny antony ara-bola, ny Tsaramandroso FC, klioba mifaninanana amin’ny « Pure Play Football League”. Mbola hanefa ilay sazy amin’ny « PFL» izy ireo, araka ny vaovao voaray. Tafita avy […]
« Enduro Sherco Motul» : nahazo fandresena Andrianirina Andy
Notanterahina afakomaly, teny Merimandroso Ivato, ny dingana voalohan’ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto “Enduro Sherco Motul”. Tamin’ity andiany voalohany ity, nahazo ny laharana voalohany Andrianirina Andy, Malagasy mpilalao Moto. Nahavita “tours” in-17 tao anatin’ny adiny roa izy rehefa avy namakivaky ny lalana feno sakan-dalana sy fotaka. Teo amin’ny laharana faharoa kosa […]
Handball – “CCCOI 2024”: hatao eto Madagasikara fa niala an-daharana i Maurice
Tsy vonona ny Maorisiana handray ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara, sokajy “senior”, taranja handball. Araka izany, hatao eto Madagasikara indray ny fihaonana. Noho ny disadisa anatiny misy eo amin’ny Federasiona maorisiana ny handball, tsy raikitra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho […]
“Run and Bike” andiany fahefatra : 400 latsaka kely ny isan’ny mpandray anjara
Tontosa omaly, tetsy Ambohibe, ny hetsika “Run and Bike”, andiany fahefatra nokarakarain’ny fikambanana TAO. Tanjona ny hanentanana sy hiadiana amin’ny fanaovana herisetra mianjady amin’ny ankizy tsy ampy taona. 400 latsaka kely teo ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity hetsika « Run and Bike », andiany fahefatra. Anisan’ny nampiavaka ity hetsika ara-panatanjahantena, nahitana hazakazaka […]




