Niditra tamin’ny fizarana fitaovana sy fanampiana ireo ankizy marary any amin’ny hopitaly ny fikambanana Motor show by Madagascar High Performance. Notolorana fitaovana sy lelavola ary fanafody izy ireo. Nahatratra 80 tapitrisa Ar ny tombom-barotra azo nandritra ny hetsika “Motor show 2024”, natao ny 30 sy 31 marsa, lasa teo. Nanambarana […]
Fanatajahantena
Rugby- “Can 2024”: Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” ny Makis Ladies
Handray lalao goavana eto Afrika amin’ny taranja rugby, lalaovin’olona 15, indray i Madagasikara. Efa ao anatin’ny fanomanana izany tanteraka ny Malagasy Rugby. Hisy ny fanamboarana ny kianja Makis Andohatapenaka. Nampahafatarina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2024”, Rugby à 15, […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny SRK Imerintsiatosika, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Moto Scooter Slalom. Hotolorana lelavola 250 000 Ar izay mahazo ny laharana voalohany ao amin’ny sokajy « A ». Tsara ny mampahafantatra fa ny Scoot Racing Club no mikarakara ity fifaninanana ity. Nijanona eo amin’ny laharana faha-109 i Madagasikara ao […]
Tsipy kanetibe: nanomboka omaly ny fiadiana ny amboara
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Avenue de la Gare Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe. Hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany amin’ny sokajy “séniors”, lehilahy, lalaovin’olona telo. Raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), homena […]
Rugby – «Top 20» : hanohitra ny FTM ny TFA
Hiditra amin’ny andro fahatelo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “Top 20”. Hampiantrano izany ny kianja Makis Andohatapenaka. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny TFA Anatihazo sy ny FTM Manjakaray. Raha ara-taratasy aloha, manantombo ny FTM saingy hiezaka hanohitra ny TFA. Samy […]





