Tao anatin’izay andiany 10 efa tontosa izay, nanjakan-dry zareo Renioney, ny fandrombahana medaly volamena. Im-pito izy ireo no nitana ny laharana voalohany. Indroa ihany kosa ny Malagasy ary indray mandeha ry zareo Maorisianina. 1979 tany La Réunion 1-La Réunion ( Volamena 68) 2-Maurice (Volamena 31) 3-Seychelles (Volamena 11) 1985 tany […]
Fanatajahantena
LALAON’NY NOSY (JIOI 2023) – ANDIANY FAHA-11 MADAGASIKARA – 25 Aogositra – 3 septambra
J-215 amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), ny rehetra. Efa samy manomana izany avokoa ireo firenena fito hiady izay ho lohany. Handray ny andiany faha-11 i Madagasikara, amin’ity taona ity. Fampiantranoana fanintelony Araka ny tapaky ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), nivory teto Antananarivo ny 18 novambra 2022, hotanterahina eto Madagasikara ny […]
Basikety-Esport FIBA: hiatrika famaranana ny Malagasy
Mahomby ny ekipam-pirenena malagasy, miatrika ny fifaninanana Esport Fiba, taranja basikety. Fifaninanana “jeu video” ho an’ny firenena Afrikanina nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra famaranana ny ekipan-dry Ranto, Timothy, Johan, Andraina ary Franck, rehefa nandresy an’i Côte d’Ivoire, Maraoka ary Egypta. Rahampitso talata 24 janoary no hiatrika izany lalao famaranana […]
EST/UJT : manome lanja ny fanabeazana ho olom-banona
:Mampiavaka ny hetsika rehetra ataon’ny «Espoirs Sportifs de Tuléar» (EST) sy ny «Union des Jeunes Tuléaroises» (UJT) ny fanaovana ho zava-dehibe ny fanabeazana ho olom-banona, ho an’ny ankizy, ny tanora, ny ray aman-dreny, izay hitondran’izy ireo fanohanana sy fanampiana. “Misy foana ny fanoroana amin’ny hetsika toy izao mba hitondra fivoarana […]
Chan Algerie 2023: ady sahala amin’i Soudan dia tafiakatra ny Barea
Tsy mbola tafiakatra amin’ny dingan’ny lalao ampahefa-dalan’ny Chan, Algerie 2023, ny Barea de Madagasikara. Saingy ady sahala na faharesena amin’ny elanelana isa iray amin’i Soudan no ilain’ny Barea dia tafita amin’ny dingana manaraka androany. Ho tanterahina androany ny lalao amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny vondrona “C”, amin’ny fifaninanana “Chan Algerie […]