Taorian’ny fitsirihana nataon’i Josua Andries Hoebeb, «inspecteur»-n’ny Caf ny kianja Barea Mahamasina, ny zoma 5 avrily lasa teo, nisy fepetra maika tsy maintsy tanterahina raha tiana ny hahazoan’io fotodrafitrasa ho an’ny baolina kitra io fankatoavana, mba hampiantranoana ireo fihaonana iraisam-pirenena atsy ho atsy. Anisan’ireny ny fanamafisana ny fiarovana ireo mpijery […]
Fanatajahantena
Tetikasan’ny FMF : havaozina ny ivontoerana eny Carion
Nandritra ireo telo andro nandalovan’i Gelson Fernandes, tale rejionalin’i Afrika eo anivon’ny Fifa, teto Madagasikara, nitsidika ny ivontoerana nasionaly eny Carion ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy, Rasoamahenina Sanda, Malagasy miasa ao amin’ny Fifa. Notanterahina teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, afakomaly, ny fivoriambe ara-potoana (AG O) voalohany, izay nokarakarain’ny Federasiona […]
Lomano : nandrombaka medaly efatra i Tendrinavalona Idealy
Tsy mitsahatra ny mivoatra ny Malagasy mpilomano, i Tendrinavalona Idealy, any Thaïlande, ao anatin’ny fisitrahany ny vatsim-pianarana taranja lomano, mandritra ny herintaona. Ankoatra ny fiofanana amin’ny endriny maro, miatrika fifaninanana matetika ihany koa izy any an-toerana. Fifaninanana natrehany, ny alarobia lasa teo, ny “Thaïlande national” ho an’ny dobo filomanosana 50 […]
SOMBIM-BAOVAO
Ho fantatra amin’ny faran’ny herinandro izao ireo ekipa valo hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena « Pureplay Football League ». Ny ekipan’ny Asa Diana sy ny Fosa Junior ary ny Disciples FC, izay efa tafita no hiatrika izany. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Fosa Junior no tompondaka farany, tamin’ity fifaninanana ity. Notanterahina teny […]
Taekwondo : ho avy eto Antananarivo ny Me Sicard
Araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD), ho tonga eto Antananarivo ny Maître Olivier Sicard, teratany Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay ary mpikatroka taekwondo 7ème dan. Hizara traikefa ho an’ireo Malagasy mpikatroka izy ny 16 sy ny 17 avrily ho avy izao, eny amin’ny ANS Ampefiloha. Tsiahivina fa efa […]




