Notanterahina omaly, teny amin’ny Espace Matehotia Andoharanofotsy ny fisoratam-panambadian-dRazafindranaivo Koloina na Rakoul sy i Nasandratraniaina Mendrika Lavorary. Taorian’ ny soratra, nisy ny fanamasinana ny mariazin’izy roa, tao amin’io toerana io ihany. Tonga nanatrika io lanonam-panambadiana io avokoa ireo mpilalao Barea Chan sy ny mpanazatra ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na […]
Fanatajahantena
Rugby – XXL Top 20 : miray vondrona ny USA sy ny FTM
Notanterahina omaly, teny amin’ny orinasa Star ny antsapaka na “tirage au sort” ny lalao Federal 1- XXL Top 20. Hiray vondrona ao amin’ny “Poule D” ny ekipan’ny FTM Manjakaray sy ny USA Ankadifotsy. Ankoatra azy roa ireo, hiady lohany ao amin’ity sokajy D ity koa, ny 3FAI Ambalavao Isotry, ny […]
Judo-Grand Slam: resy fihodinana voalohany ny Malagasy
Niakatra ny lentan’ny fifaninanana “Grand Slam”, taranja Judo, notontosaina tany Paris, natao ny herinandro lasa teo. Judokas kalaza avokoa no nifandona tamin’ny solontena Malagasy ka tsy tafavoaka teo amin’ny fihodinana voalohany izy 3 mianadahy niatrika ny fifaninanana. Tsiahivina fa Randrianasolo Lova Mahaisoa, sokajy latsaky ny 73 kg, Rakotoarivony Royal, sokajy […]
Tenisy-Afrika U18: tompondaka lefitra sokajy olon-droa i Miotisoa sy i Gloriana
Nifarana, omaly, ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika “continental”, latsaky ny 18 taona, notanterahina tany Le Caire, Egypta. Tompondaka lefitra teo amin’ny sokajy olon-droa, Rasendra Miotisoa sy i Gloriana Nahum. Resy tamin’ny seta 2 no ho 1 Rasendra Miotisoa, teratany Malagasy sy ilay Béninoise Gloriana Nahum, omaly, teo amin’ny lalao […]
Basikety – JIOI 2023 : hanala vela amin’i Mayotte ny Cospn
Hotanterahina amin’ny 13 febroary ho avy izao ny lalao iraisam-pirenena taranja basikety, izay hifanandrinan’ny Cospn Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Mayotte. Araka izany, hanala vela amin’ity farany ao amin’ny kianja Palais de Sport Mahamasina, ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa resin’ny vahiny tamin’ny isa 69 no ho 61 ny ekipan’ny polisy nasionaly, […]