Medaly volafotsy iray sy alimo enina no azon’ny Malagasy atleta, mandritra ny lalao Afrikanina, andiany faha-13, atao any Accra, Ghana. Efa any an-toerana avokoa ny mpandray anjara. Tsara fanombohana ny mpibata fonjamby malagasy, omaly. Medaly alimo 3 sy volafotsy 1 no azon’i Madagasikara, teo amin’ity taranja ity, nandritra ny andro […]
Fanatajahantena
“Pureplay Football League”: hanafika ny Mama FC ny Elgeco Plus
Hitohy rahampitso alahady 10 marsa ny andro fahefatra hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, na “Pureplay Football League” (PFL). Hiditra an-tsehatra avokoa ireo ekipa 16 mifaninana amin’izany. Anisan’ny lalao goavana andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Elgeco Plus sy ny Mama FC, ao amin’ny kaonferansy atsimo. Hanafika ny tranom-piantohana any […]
Moto – « 4 Heures Honda » : hanomboka anio ny fifaninanana
Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso, eny Ambohidratrimo, ny fifaninanana “4 Heures Honda” eo amin’ny taranja Moto. Marihina fa hiavaka tanteraka ity andiany faha-22 ity satria hotontosaina amin’ny “circuit” vaovao ny hazakazaka. Tsara ny mampahatsiahy fa miisa 170 mianadahy mianaka ny mpanamory, hiady lohany amin’ity fifanintsanana ity. Ankoatra ireo Malagasy mpifaninana, […]
Lalao Afrikanina : andrasana ny Ankoay sy ny Makis ary ny Akomba
Anisan’ireo firenena 54 mandray anjara amin’ny “Lalao Afrikanina”, atao any Accra, Ghana, i Madagasikara. Tsy mbola tonga any an-toerana ireo Malagasy mpilalao basikety sy tenisy ary rugby. Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny “Lalao Afrikanina” andiany faha-13, atao ao Accra, Ghana, ny 8 hatramin’ny 23 marsa ho avy izao. Araka ny […]
Trail – « Aina no Fetra »: ny 23 marsa ho avy izao ny andiany faharoa
Hotanterahina ny 23 marsa ho avy izao, eny amin’ny Cemeam Ankadikely Ilafy, ny andiany faharoa amin’ny fifaninanana Trail “Aina no Fetra”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Ny Mainty Manga ho an’ireo tanora sy mpankafy ity taranja ity. Raha ny fanazavana nomen’ny mpikarakara, misy sokajin-dalao roa ny fifanintsanana. Hisy ny hazakazaka amin’ny halavirana 12 km, […]




