Nanamafy, omaly, ny filohan’ny federasiona malagasy ny ady totohondry, fa hanatanteraka fampivondronana foana ihany na hisy na tsy hisy ny lalaon’ny Nosy. Araka izany, mpikatroka miisa 50 mianadahy, efatra isan-tsokajy ho an’ny lehilahy ary teola na roa ho an’ny vehivavy, ny hivondrona ho an’ny tapany voalohany. Hanomboka ny faran’ny volana […]
Fanatajahantena
Kitra vehivavy – Mada 2022 : anjakan’i Vakinankaratra ny fifaninanana
Notanterahina omaly tany Antsirabe, ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra vehivavy taona 2022. Manjaka tanteraka ny ekipan’i Vakinankaratra. Lavon’ny Disciple FF Antsirabe tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Mifa Analamanga, resin’ny AC Sabnam Vakinankaratra tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Ascuf Fianarantsoa. […]
Judo-Grand Slam de Paris: telo mianadahy ny solontena malagasy
Hanomboka anio any Paris, Frantsa, ny fifaninanana « Grand Slam », taranja Judo. Manana solontena telo ny Malagasy. Randrianasolo Lova Mahaisoa (-73kg), miampy mpila ravinahitra miisa 2, Rakotoarivony Royal (-100 kg) sy i Vital Christiane (-57kg), no hiaro ny voninahi-pirenena. Ny alarobia lasa teo no efa nanainga teto an-tanindrazana i Lova raha […]
Kitra – «Chan 2022»: norombahin’ny Barea ny medaly alimo
Nihofahofa tao Algérie ary nanakoako manerana an’i Afrika ny Barea de Madagascar, omaly alina. Lasan’ny Malagasy ny laharana fahatelo ary norombahiny ny medaly alimo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2022”. Nentin’ny Barea de Madagascar nody an-tanindrazana ny medaly alimo teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo […]
Muay Thai : hanokatra ny taom-pikatrohana 2023
Hotanterahina ny 6 febroary ho avy izao, ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny taranja Muay Thai, hay ady avy amin’ny kolontsaina thailandais sy asiatika. Tsy diso anjara ny mpiangaly izany eto Madagasikara fa hankalaza ihany koa. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Haina Tiana Gervais, fa sady fanokafana […]