Fanatajahantena

Randriamiandrisoa Nicolas : 32 taona niangaliana ny taranja Taekwondo

Mpikatroka eo amin’ny taranja Taekwondo, teratany malagasy, milaravinahitra any Frantsa, Randriamian­drisoa Nicolas, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Nicolas Ragonz. Ankoatra ny maha mpikatroka azy, mpampiofana eo amin’ny taranja Taekwondo any ivelany, nanomboka ny taona 2009 ny tenany. Handeha ho fantarina ny momba azy. Randriamiandrisoa Nicolas no tena anarany ary […]

Volley-CCCZone 7 : Tafakatra famaranana ny GNVB, lehilahy

Tontosa omaly ny lalao manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball tanterahina any Maorisy. Tafakatra famaranana ny GNVB, lehilahy, rehefa nandresy ny Saint Denis Olym­pique Volley-Ball avy any La Réunion tamin’ny tie break ( 25 – 22 / 23-25/25-23/19-25/16-14). Raha fintinina ny dingana nolalovan’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa teny amin’ny Orange Digital Center, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny fifaninanana taranja Échecs “Queens Women Open Tournament”. Fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy malagasy mpilalao, ary hampiakarana ny fahaiza-manaon’izy ireo ity fandaharanasan’ny federasiona ity. Efa manomboka ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga “Big Tanà”, taranja Bodybuilding. Fifaninanana izay hotontosaina […]

Trail d’Ibity andiany 9: Hamonjena ny ankizy tsy ampy sakafo

Hotanterahina any Antsirabe, ny alahady 6 avrily ho avy izao, ny andiany fahasivy amin’ny “Trail d’Ibity”. Hiavaka izy ity satria hatolotra manontolo ho an’ny fikambanana Antena, misahana ireo zaza tratry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika ao amin’ny faritr’i Vakinankaratra ny vola rehetra azo amin’ny fifaninanana. Io no nambaran’i Vincent Blanchet, […]

“Mondial 2026” : Mpilalao efatra ihany ny avy eto an-toerana voaantso Barea

Na dia amin’ny alarobia ho avy izao aza ny lisitr’i Corentin Martins, mpanazatra Barea vaovao, no hivoaka, nilaza ny loharanom-baovao iray fa miisa efatra ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana voaantso handrafitra ny Barea de Madagascar. Afaka 11 andro eo, hiatrika ny fifanintsanana ahazoana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” […]