Fanatajahantena

“Pureplay Football League”: Hanafika an’i Antimo Record ny AS Ste Anne

Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Hanafika an’ireo ekipa avy any atsimo, any Toliara, ny AS Ste Anne, ny alahady ho avy izao, ao amin’ny Ki­anjan’i Maitre Kira. Araka ny fanadihadiana natao omaly, efa […]

SOMBIM-BAOVAO

Fanitsiana ny lahatsoratra nivoaka omaly talata 3 marsa 2026, mahakasika ilay fifaninanana ho an’ny ankizy. « Ankizy milalao », andiany faharoa, no tena anaran’ilay hetsika karakarain’ny Analakely Football Academy (Afa) etsy Betongolo, ny 7-8 marsa ho avy izao, fa tsy « Kilonga milalao ». Marihina fa fotoana iray ahafahan’ny ankizy misehatra amin’ny lalao baolina […]

Volley – CAVB Zone 7: Malagasy 3 mitsara any Seychelles

Ankoatra ny fandraisan’ny ekipa malagasy anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka aty amin’ny ranomasimbe Indianina, taranja volley-ball, manana solontena ihany koa i Madagasikara eo amin’ny lafiny fitsarana lalao. Malagasy 3 no hitsara lalao any Seychelles mandritra ity fifaninanana ity. Ahitana an’i Mamitiaina Tsifolakasy Herizo, mpitsara federaly sy Koera Félix […]

Rallye : Kandidà roa hifaninana ho filohan’ny federasionina

Ho fantatra amin’ny 21 marsa ho avy izao izay ho filoha vaovao hitantana ny Féderation sport-automobile de Madagascar (FSAM). Kandidà roa no hifaninana ho amin’izany, izay olona ao anatin’ny tontolon’ny taranja mekanika avokoa. Nikatona ny alahady lasa teo ny fandraisana ny taratasy ho an’ireo hifaninana ho filohan’ny Fédera­tion sport-automobile de […]

Tsipy kanetibe : Nihazo an’i France i Lova sy Tiana

Nanainga omaly, nihazo an’i France, Rakotoarisoa Lova Satamandimby sy Raza­na­drakoto Tiana Laurens (Tonnerre) hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny “Passion pétanque française” (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana hotanterahina ny sabotsy 7 sy alahady 8 marsa ho avy izao, ao amin’ny Bou­lodrome Douaisis. Anisan’­ireo hiatrika izany i Madagasikara, ka hiaro ny […]