Notanterahina teny amin’ny Kianja Betongolo, ny 7 sy ny 8 marsa teo ny fifaninanana ho an’ny ankizy, « Ankizy milalao» andiany faharoa, izay karakarain’ny Analakely Football Academy (Afa). Nilaza ny mpikarakara fa nahomby ny hetsika, nahatratra 106 ny ekipa tonga nandray anjara tamin’izany, izay nozaraina tamin’ny sokajy U7, misy ekipa […]
Fanatajahantena
“Pureplay Football League” : Voasazy noho ny adin’ny FMF sy ny mpitsara ny klioba ao Boeny
Tsy afaka hijery sy hankafy baolina kitra divizionina voalohany nasionaly ny mponina ao Mahajanga raha tsy milamina ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sy ny federasionina. Lasa resy tsy miady ireo klioba any an-toerana, efa niharan’izany ny Tsaramandroso FC. Noho ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sasany, any Mahajanga, sy […]
Rugby – XXL Top 12: Lavon’ny Cosfa (Bebaoty) ny Tam
Nitohy tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahafito hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na ny XXL Top 12. Voahaja ny lojika raha ny vokatra. Anisan’izany, lavon’ny Cosfa (Bebaoty), tamin’ny isa (39) no ho (23) ny Tam Anosibe. Nanantombo teo amin’ny tanjaka ny miaramila, izay nanafangaro ny lalaony, […]
Tsipy kanetibe – PPF 2026: Raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Malagasy
Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ny dian’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny famaranana lehibe niadiana ny Passion Pétanque Française (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina omaly tao amin’ny Boulodrome Douaisis, France. Resin’ny ekipan’i Baudino sy i Maurel ary i Delahaye, tamin’ ny isa 13 no ho 9 i Yves sy […]
DAKA AN-JORONY: Ketriketrika mahatonga kotrokotroka
Tsy mitsaha-mitombo sy miitatra tahaka ny sima misioka ny olana amin’ny fanatanjahantena, eto Madagasikara. Ny eo tsy voavaha, ny hafa miditra ihany. Misy manko ireo miketriketrika ka mahatonga kotrokotroka. Na tsy maresaka be aza, misoko mangina toy ny homamiadana ny fifandirana eo amin’ny lalaon-tsaina «echec». Mifandrirotra amin’izay mampety azy, ny […]




