Araka ny fanambarana navoakan’ny pejin’ny FMF, omaly, ho fantatra ny 12 marsa ho avy io ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa amin’ny 19 marsa ho avy izao, hifandona amin’i Centrafrique i Madagasikara, any Maroc. Ny 24 marsa ho avy io, hifanandrina amin’i Ghana ny Malagasy, […]
Fanatajahantena
Rugby – Sevens challenger series : Vonona handresy an’i Georgie sy i Allemagne ny Makis
Hanomboka anio, ao Cape Town Afrika Atsimo, ny fihodinana faharoa amin’ny fiadiana ny “Sevens challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy Senior, lehilahy. Anisan’ny hiatrika izany ny Makis de Madagascar. Araka ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Malagasy i Georgie. Aorian’io, hifanandrina amin’i Allemagne, ry zalahy. Vonona tanteraka ny Malagasy […]
Karate-Afrika : Mivondrona any Antsirabe ny atleta
Tsy miandry ela, miroso hatrany amin’ny fanohizana ny fandaharam-potoanany ny eo anivon’ny federasion’ny karate-do malagasy (FKM). Taorian’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy farany teo, miroso amin’ny fampivondronana ireo atleta indray ny federasionina. Fampivondronana izay hitiliana ny handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, […]
Volley-CCC ZONE 7 : Tafakatra manasa-dalana ny GNVB, sokajy lehilahy
Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball), ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ ny Klioba tompondaka, faritra faha-7, taranja volley, tanterahina any Maorisy. Taorian’ny nahatafakatra ny ekipan’ny GNVB, vehivavy, amin’ny manasa-dalana, nahazo ny tapakila ihany koa ny GNVB, lehilahy, ho amin’izay manasa-dalana izay, rehefa nandavo ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fifantenana mpilalao Makis U18, izay hiatrika ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina « Aroi 2025 ». Tamin’ireo mpilalao miisa 40, nilaza ny federasiona fa 21 ihany no voafantina hiatrika ny fifantenana farany. Tsiahivina fa hatao eto Madagasikara ny Aroi, ny volana avrily. Samy laharana voalohany […]