Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny PFL, hihaonan’ny Ajesaia sy ny AS Ste Anne. Mbola manala vela amin’ity fifanandrinana ity ny Ste Anne, izay resy tamin’ny isa 2 no ho 1, tany amin’ny fihaonana mandroso. Mbola mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo, eto Madagasikara, […]

Basikety-Analamanga : Tompondakan’ny N1B ny ASA sy Fandrefiala

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana teo amin’ny sokajy N1B, ho an’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga,  taranja basikety. Voahosotra ho tompondaka, tamin’izany, ny ASA, teo amin’ny sokajy vehivavy rehefa nandavo ny Lucadro, tamin’ny isa 62 no ho 52. Tetsy ankilany, ny ekipan’ny Fandrefiala kosa no nandrombaka ny fandresena,  teo amin’ny sokajy […]

Padel : Mpanao gazety 9 nahazo fiofanana

Tsy mijanona ho mpitatitra sy mpampita vaovao fotsiny ny mpanao gazety fa miditra an-tsehatra amin’ny taranja samihafa koa. Taorian’ny tsipy kanetibe, niditra tamin’ny Padel indray izy ireo, ka nandranto fahalalana mahakasika izany ary nanao fampiharana tamin’ny alalan’ny fifaninanana teo amin’ireo samy mpiofana. Mitohy hatrany ny hetsika fanomezana fahalalana ny mpanao […]

Barean’i Madagasikara : Nantsoina tamin’ny ora farany i Andy sy i Mamisoa

Hifantoka atsy Maroc avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio. Hotanterahina ao amin’ny Kianja Moulay Abdellah – Rabat ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Lions de l’Atlas Maroc sy ny Barean’i Madagasikara, hanomboka amin’ny 8 ora alina. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, nisy fiovana ny firafitry ny ekipam-pirenena malagasy. Nan­tsoina […]

SOMBIM-BAOVAO

Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika tao amin’ny Kianjan’ny Parc de Princes, ao Paris, renivohitr’i France, ny Paris Saint Germain(PSG), afakomaly. Nankalazaina tao amin’ity kianja ity ny fahombiazan’ny PSG, izay nibata amboara roa tamin’ny Ligue des Champions 2026. Tsiahivina fa tazana tao anatin’ny lanonana ilay Malagasy mpanazatra Barea fahiny, sady mpilalaon’ny PSG […]