Fanatajahantena

Volley-ball – CCCOI 2026 : Resin’ny Port-Louis Maurice ny Mama VBC

Nitohy omaly, tatsy Sey­chelles, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny klioba tompondaka na ny CCCOI, taranja volley-ball. Teo amin’ny sokajy lehilahy, lavon’ny Port-Louis avy atsy Maurice, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny Mama volley-ball club Madagasikara. Ny seta voalohany ihany no lasan’ny ekipa malagasy, izay norombahiny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hifarana ny zoma ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana izay ho kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy taranja tenisy. Olona hitondra ny ekipa amin’ny fifaninanana amin’ny fiadiana ny amboara Davis sy ny Billie Jean King. Takina amin’izay ho kapiteny ny fahaizana tenim-pirenena sy ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hisy fifaninanana basikety […]

Motocross –  “4h Honda” : Mpilalao renioney efatra handray anjara

Hotanterahina eny Am­bohidava, Ambatolampy Tsi­ma­hafotsy, ny 14 hatramin’ny 15 marsa ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka ho an’ny kodiaran-droa, ho an’ny Motocross, “4H Honda”, an­diany faha-24. Halaviran-dalana 8 kilometatra eo no hifanintsana ary ahitana sokajin-dalao 15 izany. Manodidina ny 90 eo ny ekipa andrasana amin’ity hetsika ity. Araka ny fanadihadiana […]

Rugby – “XXL Top 12”: Nivarina fahatelo ny FTM Manjakaray

Taorian’ny fahavitan’ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”, nivarina any amin’ny laharana fahatelo ny FTM Manjakaray. Ny faharesena nanoloana ny Cosfa ny anton’izany. Miakatra eo amin’ny toerana faharoa kosa ny CEA Andranomanalina. Mbola mitarika hatrany kosa ny Cosfa (Bebaoty), izay tsy mbola resy, […]

Fitokanana ny Carion : Andrasana fatratra ny filohan’ny Fifa

Raha ny voalaza, tokony ho tamin’ny volana janoary teo no voatondro hahatongavan’i Gianni Infantino eto Madagasikara. Hatramin’ny omaly, anefa, tsy mbola nisy vaovao ofisialy ny amin’ny fihaviany na tsia. Anton-diany moa ny hanova ny satan’ny FMF sy hitokana ny Carion. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tamin’ny loharanom-baovao iray, efa vita […]