Fanatajahantena

Volley-ball : Raoelison Hasimbola Famonjena no DTN vaovao

Nandray ny andraikiny avy hatrany izy. Ny tenany no nahazo ny naoty ambony indrindra ta­min’ireo telo niatrika ny fanadihadiana nataon’ny vaomiera misahana ny fanendrena DTN, eo anivon’ny FMVB. Vaomiera izay notarihin’ ny filohan’ny federasiona, Raha­ri­malala Léa, Randrianilaina Bakoly Harisoa Clarisse, filoham-boninahitra, Rason Olivier, mpanolotsaina teknika, Raharinjoelina Fetison Hajatiana, sekretera jeneraly, […]

Basikety N1A: samy nampiseho ny maha sangany azy ny Cospn sy ny GNBC

Lalao nanamarika ny an­dro fahefatra omaly, ao anatin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A, taranja basikety, ny fihaonan’ny Cospn Analamanga sy ny GNBC Analamanga, sokajy lehilahy. Niady tanteraka ny lalao teo amin’ny roa tonta ary samy nampiseho ny maha sangany azy ny andaniny sy ny ankilany. Nifandimbiasana ny famonoam-baolina ary […]

Tenisy : maniry ny ho lasa mpanazatran’ny ekipam-pirenena malagasy i Miary Zo

Mandalo eto an-tanindrazana, Rakotondramboa Miary Zo, Malagasy mpilalao tenisy. Mitondra ny traikefany ary mizara sy mifanakalo hevitra amin’ ireo zandry mpilalao sy mpanazatra ary mpanabe ny tenany. Manampy ara-pitaovana ihany koa izy sy ny ekipany. Namaly an-kitsim-po ny fanontanian’ny mpanao gazety, Rakotondramboa Miary Zo, mpilalo tenisy ny sabotsy lasa teo, […]

“Play Fiba 3×3” Afrika : mitana ny laharana 3 voalohany ny Malagasy

Vaovao tsara ho an’ny taranja basikety, lalaovin’olona telo. Mitàna ny laharana telo voalohany amin’ny “Playoff 3×3” eto Afrika, ny Malagasy. Laharana voalohany, Randriamampionona Elly, laharana faharoa, Ratianarivo Livio ary fahatelo kosa i Solondrainy Jean Arnol. Vao­vao azo lazaina ho efa tsy mahagaga intsony, raha ny ezaka sy ny vokatra tsara […]