Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Nanatanteraka fihaonana voalohany tany Paris, ny filohan’ny Fifa, Gianni Infatino sy ny filoha vaovaon’ny FMF, Randriamanampisoa Alfred. Nanazava misimisy kokoa ny fandaharanasany tamin’ity lehiben’ny baolina kitra maneran-tany ity ny tenany. Tao ihany koa ny resaka mahakasika ny […]
Fanatajahantena
Fifindran-toerana: hilalao ao amin’ny Athletic Club Arlesien, Frantsa Rakool
Miandry ny “visa de long séjour” avy amin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), amin’ny hifindrany any Frantsa. Hanampy azy amin’ny fahazoana izany ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), mpilalaon’ny CFFA teo aloha. Miandry ny fahavitan’ny «visa de long séjour»-ny izy, hahazoany miverina any Frantsa, […]
KIANJAN’NY CFFA : mandroso ny asa fanamboarana
Tonga nijery ifotony ny fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina an’ny CFFA teny Andoharanofotsy, omaly, ny ben’ny Tanàna, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta) sy ny talen’ny orinasa misahana izany, niaraka tamin’ireo mpilalao sasantsasany ao amin’ny CFFA toa an-dRakool sy i Dadafara ary i Lalaina. Mandroso ary mizotra, araka ny tokony ho izy, ny asa […]
TARANJA TOLONA: manofana ireo mpanazatra sy atleta i Hassli Alain
Manomboka izao, hatao ho anisan’ny taranja hifaninanana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), ny “lutte Greco-romaine”. Tonga nanome fahalalana fototra momba izany, i Hassli Alain Georges. Nanomboka ny alatsinainy teo, hatramin’ny rahampitso alakamisy, ny fiofanana eo amin’ny «lutte Greco-romaine», tarihin’ilay frantsay manampahaizana, i Hassli Alain Georges, mpanazatra ny ekipa frantsay […]
“World Jiu-Jitsu Championship” : efa nahavita fisoratana anarana ny solontenan’ny Malagasy
Andro vitsy tsy hanombohan’ny fifaninanana “World Jiu-jitsu Championship” hatao any Abu Dhabi, efa nahavita fisoratana anarana avokoa ireo Malagasy mpikatroka 13 mianadahy hifaninana amin’izany. Hiditra amin’ny fanaovana ny Visa kosa izy ireo amin’ity herinandro ity. Nambaran’ ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu anefa fa mbola sarotra ny hoenti-manana amin’ity fifaninanana […]





