Mitohy hatrany ny fifaninanana ho an’ireo mpitia tsipy kanetibe. Hotanterahina ny sabotsy 14 sy alahady 15 oktobra ho avy izao, ny “Grand open Telma”. Hampiantrano izany ny kianja Para Ivato. Hotolorana lelavola sy fanomezana ireo efatra voalohany, amin’ity fihaonana ity. Natokana ho an’olon-telo miaraka ny lalao ary misokatra ho an’ireo […]
Fanatajahantena
“Madagascar Tennis Project” : hampiofana sy hizara traikefa i Miary Zo
Taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana DEJEPS Tennis, ho avy eto Madagasikara, hampiofana sy hanome ny fahalalany ho an’ireo kilonga sy mpanazatra, Rakotondramboa Miary Zo, Malagasy mpilalao tenisy, monina any Frantsa. Handalo eto an-tanindrazana, Rakotondramboa Miary Zo, ilay Malagasy mpilalao tenisy, tompondakan’i Madagasikara intelo misesy, sokajy “junior”, saingy efa miasa sy monina […]
Cosafa Cup : lavon’i Malawi i Madagasikara
Notanterahina omaly talata 10 oktobra, tany Afrika Atsimo, ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy «A», amin’ity «Cosafa Cup», taranja baolina kitra, vehivavy, ity. Resin’i Malawi tamin’ny isa 3 no ho 1, i Madagasikara tamin’izany. Araka izany, ity no faharesena fahatelo azon’ny Barea de Madagasikara nandritra ity fifaninanana ity. […]
Rugby à VII, sokajy vehivavy: hanafika any Tunisie ny Makis
Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby, omaly, fa hanainga anio ho any Tunisie ny Makis, vehivavy. Hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2024), ho an’ny baolina lavalava lalaovina olona 7, izy ireo. Fihaonana, hotanterahina ny 14 sy 15 oktobra ho avy izao. Mpilalao 12 mirahavavy […]
Kitra – Barea de Madagascar: tsy ho any Marôc i Kenji Van Boto sy i Trebel
Nisokatra ny 9 oktobra lasa teo ny “Fenêtre-FIFA”, anisan’ireo hiatrika an’izany ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar. Nanainga omaly tolakandro, nihazo an’i Marôc, ny Barea de Madagascar, hiatrika ireo lalao firahalahiana roa, hifanandrinana amin’i Bénin sy i Mauritanie. Fihaonana, hotanterahina ny 14 sy ny 17 oktobra ho avy izao, tafiditra […]





