Tonga ity ilay fotoana efa nandrasan’ny maro, hahafantarana ny anaran’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) vaovao. Hotanterahina anio sabotsy 14 oktobra, eny amin’ny Novotel Ivandry, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsy maintsy iray amin’ireo kandidà miisa dimy mpifaninana amin’ izany no hitantana ny […]
Fanatajahantena
Rasoanaivo Laura: hifaninana amin’ny « Abu Dhabi Grand Slam »
Taorian’ny niatrehany ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja Judo, fifaninanana iraisam-pirenena roa avy hatrany indray no miandry an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura. Hihazo an’i Abu Dhabi izy, ny 24 oktobra izao, hiatrika ny “Abu Dhabi Grand Slam 2023”. Hitohy any Senegal kosa ny diany, ny 11 novambra, hifaninana amin’ny […]
Rugby lalao Olympika 2024 : hanomboka rahampitso ny fifaninanana
Hotanterahina ny 14-15 oktobra ho avy izao, any Tunisie, ny ady tapakila hiatrehana ny lalao olympika, JO Paris 2024, taranja Rugby lalaovin’olona fito. Miisa valo ireo firenena mandray anjara amin’izany, ka ao amin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara. Miaraka amin’izy ireo i Kenya sy i Zambie ary i Ghana. […]
Kitra – « Fenêtre FIFA » : anatin’ny fanomanana tanteraka ny Barea de Madagascar
Efa ao anatin’ny vanim-potoana ny « Fenêtre FIFA” isika izao. Miatrika lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena roa i Madagasikara amin’izany. Efa any Marôc ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Ny alarobia 11 oktobra lasa teo, nanomboka nanao fanazarantena tao amin’ny kianjan’ny Academie Sportive Chabab Marôc, tao Casablanca, izy ireo. Natao hanomanana ireo lalao iraisam-pirenena […]
Karate-Tompondaka eran-tany : mizotra tsara ny fanomanantenan’ny atleta
Manoman-tena efa ho iray volana izay, ny Malagasy mpikatroka, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy Seniors, taranja karate. Fifaninanana hotanterahina any Hongrie, ny 24 hatramin’ ny 29 oktobra ho avy izao. Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny kotrana sy ny fampivondronana ireo Malagasy atleta, eny amin’ny […]





