Hotanterahina, anio, any Afrika Atsimo, ny andro faran’ ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny groupe “A”, amin’ity Cosafa Cup, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, ity. Hihaona amin’i Malawi i Madagasikara amin’izany. Tsy tafita amin’ny dingana manaraka intsony i Madagasikara fa ady voninahitra sisa no ataon’izy ireo amin’izany. Faharesena roa no azon’izy […]
Fanatajahantena
Volley ball-FMVB : homena lanja ny taninketsa
Hiditra iray volana amin’ity herinandro ity ny nitsanganan’ny federasiona malagasin’ny volley-ball, tarihin-dRaharimalala Lea, filoha vaovao, hitantana mandritra ny 4 taona manaraka. Nambaran’ity filohan’ny federasiona ity, fa efa manomboka tsikelikely amin’ny fampandrosoana ny taranja volley-ball, ny FMVB. Efa nambarany hatrany am-piandohana fa homena vahana ny taninketsa satria mila jerena dieny izao […]
Kitra: milalao ao amin’ny ekipa “6ème division” frantsay Rakool
Mandalo eto an-tanindrazana Razafindranaivo Koloina (Rakool), mpilalao baolina kitra tao amin’ny Barea “Chan”. Nambarany fa tsy any amin’ny Olympique de Marseille izy fa ao amin’ny Athletic Club Arlesien, (régionale 1) Frantsa. Gazety Taratra (*) : Rakool, tena milalao baolina any Frantsa tokoa ve ianao ? Koloina R (-) : Ao amin’ny Athletic Club Arlesien, Regional […]
« Cosafa Cup » : lalao am-boninahitra sisa no ataon’i Madagasikara
Fiarovana ny voninahitra sisa no lalao miandry ny Barea amin’ity fifaninanana « Cosafa Cup », taranja baolina kitra, sokajy vehivavy ity. Faharesena faharoa izay no azon’izy ireo, lavon’i Afrika Atsimo, mpampiantrano tamin’isa 3 no ho 1 i Madagasikara, nandritra ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “A”, izay natao ny sabotsy […]
Kitra – D2 Nasionaly: tafita OPL ny KFCA Diana sy ny FC Inate Vakinankaratra
Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianjan’i Barikadimy Toamasina ny fifaninanana “Poule des AS”, ho an’ny diviziona faharoa, taranja baolina kitra eto amintsika. Norombahin’ny KFCA Diana ny amboarabe sy ny lelavola 6 tapitrisa Ariary rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny FC JM Androy. Ny ekipan’ny FC Inate […]





