Fanatajahantena

Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: hifanandrina amin’ny «tirs de précision» i Zigle sy i Rocher

Hanomboka anio ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe sokajy «sénior» lehilahy. Hiady izany anaram-boninahitra izany ny Malagasy. Efa any an-toerana ireo mpilalao efatra mirahalahy, Racle, Tiana kely, Donald ary i Zigle. Hitodika ao Zenith Dijon, Frantsa avokoa ny mason’ny mpitia fanatanjahantena rehetra manomboka anio, indrindra ireo mpankafy […]

SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’i Safidy Mahaliana Andrianisoa (Sentaku), avy amin’ny Team Sly, ny laharana fahatelo teo amin’ny « jeux video, Mzansi Esports Champions ». Fifaninanana ho an’ny vehivavy, natao tatsy Afrika Atsimo, ny 29 novambra ka hatramin’ny 1 desambra lasa teo. « Nanamporofo ny tanjak’i Madagasikara ny fihaonana izay efa avo lenta », hoy i Sentaku. […]

Basikety-« Africa Cup 3×3 »: nomen’ny Yas 4 tapitrisa Ariary ny mpilalao

Manao tohivakana ny fandraisan’ireo mpiara-miombon’ antoka sy mpanohana ny ta­ranja basikety, ekipa An­koay, vao avy nandrombaka ny am­boaran’i “Afrika 3×3”, ny faran’ ny herinandro teo. Omaly, ny Yas Madagasikara indray no nandray sy niarahaba azy ireo, teny amin’ny Campus Andra­haro. Ankoatra ny fankasitrahana tamin’ny ezaka vitan’ny Ankoay, sokajy lehilahy sy […]

Tenisy, U14 – U16 : hatao any Namibia ny fifaninanana

Ny fiadiana ny ho tompon-dakam-paritra, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany Atsimon’i Afrika no hisantaran’ny Federa­siona malagasin’ny tenisy ny taona 2025. Ny ITF/CAT Southern African Junior. Fihaonana ho an’ny sokajy zandriny, U14 sy U16, lahy sy vavy. Hampiantrano izany i Namibia ka hatao ao amin’ny Kianja ao Windhoek ny fihaonana, […]

Rugby – “XXL Top 12” : hanala vela amin’ny FTM ny Uscar

Hitohy etsy Andohatapenaka ny fifaninanana nasionalin’ny taranja rugby, diviziona voalohany, federaly I, ny faran’ny herinandro ho avy io. Fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray sy ny Uscar. Lalao hiendrika famaranana kely. Hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahafolon’ny fiadiana ny […]