Notanterahina omaly, tao amin’ny kianjan’i Suncorp Australie, ny fihaonana teo amin’i Nigeria sy i Australie, taranja baolina kitra, vehivavy. Lavon’i Nigeria tamin’isa 3 no ho 2 i Australie, mpampiantranon’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taona 2023. Fifaninanana atao ny 20 jolay-20 aogositra ho avy izao. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fifanintsanana ho an’ny […]
Fanatajahantena
Handball – JIOI 2023: nitsidika ny Akio ny minisitry ny Jono
28 andro sisa, hanomboka ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hotanterahina eto amintsika, manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Tonga nitsidika ny Akio, taranja handball, i Mahatante Paubert, minisitry ny Toekarena manga sy ny jono sy ny sekretera jeneraliny, ny alarobia lasa teo, teny Vontovorona. Niresaka […]
Fanokafana ny lalaon’ny Nosy: Malagasy avokoa no hanao ny soradihy sy ny seho
Nitondra fanazavana momba ny lanonana fanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, ny eo anivon’ny Comite d’Organisation des Jeux des iles, (COJI). Malagasy avokoa no hanao ny soradihy sy ny seho rehetra. Hanampy amin’ny torohevitra sy hanome traikefa fotsiny ny hahatongavan’ireo Sinoa manam-pahaizana eto fa Malagasy avokoa no ho tazana eny […]
Newsmada : mpanohana ny lalaon’ny Nosy
Notanterahina teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly 26 jolay, ny fampahafantarana ireo orinasa mpanohana ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023 andiany faha-11. Lanonana notarihin’i Haja André Resampa, filohan’ny COJI sy minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora. Anisan’ireo mpanohana mitondra ny anjara tandrifiny eo amin’ny serasera ny orinasa Newsmada. “Orinasa malagasy iray […]
Lalaon’ny Nosy : mpihazakazaka avy any Etazonia hanatevina ny atletisma
Nanomboka ny 18 jolay lasa teo no efa ao anaty fampivondronana ny taranja atletisma. 73 mianadahy izy ireo no manaraka izany etsy amin’ ny kianja Barea Mahamasina. Misahana ny fanomanana ilay Sinoa manampahaizana, i Djao, miaraka amin’ireo Malagasy teknisianina miisa 13 mianadahy. Nambaran’ny tale teknika nasionaly, Rambeloson Hery, fa iray […]




