Fanatajahantena

Kids Atheltics : hiofana ireo mpanazatra

Tafiditra ao anatin’ny fanatontosana ny fandaharam-potoana omen’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny taranja atletisma (World Athletic), ny fanomanana ireo ankizy eo amin’ity taranja fototra ity na ny Kids Athletics. Anisan’ny misitraka izany ny eto Madagasikara. Araka izany, hotanterahina anio alarobia, eny amin’ny kianja Alarobia ny fampiofanana ireo olona manodidina ny tontolon’ny atletisma […]

Fifidianana filohan’ny FMF : hatao anio ny antsapaka ho an’ireo kandidà dimy

Araka ny lisitra navoakan’ny Ceni eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny talata lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera. Tsy nisy latsaka fa nahafeno fepetra avokoa ireo kandidà dimy hifaninana ho filohan’ny FMF. Hotanterahina anio, eny Isoraka, ny antsapaka hahafantarana ny laharan’ ireo kandidà dimy mirahalahy. Izay nirotsaka hofidina izay […]

Judo-« Tournoi de Venelle » : laharana fahadimy ny Diaspora malagasy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Venelle Fran­tsa, ny fifaninanana “Tournoi International de Venelle” isam-bondrona, taranja Judo. Nandray anjara tamin’izany ny Diaspora malagasy, sokajy lehilahy. Raha ny vokatra, teo amin’ny laharana fahadimy no nisy azy efatra mirahalahy, rehefa raraka teo amin’ny ampahefa-dalana. Azo lazaina ho tsara ny fanombohana ho an’ny […]

Rugby: hiroso amin’ny fifidianana seksiona

Araka ny tapaka teo anivon’ny Malagasy rugby, hiroso amin’ny fifidianana ny filohan’ireo seksiona telo tsy mbola nahatontosa ny azy, ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Raha tsiahivina, tsy mbola nahatontosa izany Atsimondrano sy Avaradrano ary Antananarivo Renivohitra. Ho fanomanana izany, hisy ny fanazavan-kevitra hataon’ny Ceni foibe ho an’ireo […]

Kitra – Cosafa Women’s Cup : natao ny fampivondronana ny vehivavy Barea

Taorian’ny antsapaka natao ny 14 septambra lasa teo mahakasika ny “Cosafa Women’s Cup”. Efa miditra amin’ny fandraisana andraikitra hiatrehana izany ny kaomisionina ny baolina kitra vehivavy eto amintsika. Afaka sivy andro, hotanterahina any Afrika Atsimo, ny 4 hatramin’ny 15 oktobra ho avy izao ny fifaninanana «Cosafa Women’ s Cup », taranja […]