Fanatajahantena

Rugby : nanentana ireo kilonga ambany tanàna ny Tibu Africa

Taorian’ny faritra Atsimo Andrefana, nitohy teto Anta­nanarivo indray ny fanentanana ireo ankizy, ampanaovin’ny Tibu Africa sy ny Terres en mêlées Madagascar eo amin’ny taranja rugby. Notantera­hina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka izany ny sabotsy lasa teo. Nisitraka izany, ireo kilonga 100 mianadahy eo amin’ny 7 – 15 taona, avy amin’ireo […]

Kitra – D2 National: fantatra avokoa ireo ekipa efatra hanao « Poule des As »

Toy ny efa nampoizin’ny rehetra ihany. Tafita hiatrika ny dingana manaraka ny FC JM Androy, FC Inate Vakinankaratra, KFCA Diana ary ny 3FB Alaotra Mangoro. Nifarana tany Mahajanga sy Antsirabe, omaly 24 septambra ny andro fahadimy, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra. Efa fantatra avokoa ireo ekipa roa voalohany isam-bondrona […]

Basikety-BAL: Ekipa vahiny 3 no ho avy eto Madagasikara

Hotontosaina eto Madagasikara, ny 6 hatramin’ny 8 oktobra ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanan’ny Basket ball Africa League “Road to BAL”, ao amin’ny vondrona E misy ny Cospn Madagasikara. Fantatra fa ekipa 3 avy eto amin’ny ranomasimbe indiana no ho avy eto an-toerana hiatrika izany fifaninanana izany. Roa herinandro tsy hanombohan’ny […]

Karate-“Challenge de Betsileo” : nandray anjara ireo kalaza tamin’ny JIOI

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Fianarantsoa, ny “Challenge de Betsileo”, andiany faharoa, taranja Karate. Niavaka tanteraka ny fifaninanana tamin’ity indray mitoraka ity satria saika namaly ny antso avokoa ny ligy rehetra manerana ny Nosy ary nandray anjara ireo kalaza sy nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy teo. Raha hiverenana ny […]