Fandaharam-potoana mamaramparana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny taranja basikety, ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy. Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 19 hatramin’ny 29 oktobra izany. Ho an’ny sokajy lehilahy, fifaninanana ho an’ireo ekipa 8 mendrika indrindra na ny “Top 8” sy ny famaranana no hatao amin’io fotoana io. […]
Fanatajahantena
Rugby – “XXL Top 20” : hatao ny 1 oktobra ho avy izao ny manasa-dalana
Hafana tanteraka ny lalao etsy Andohatapenaka, ny volana oktobra ho avy izao. Ho toy ny famaranana avokoa ny fihaonan’ny Uscar sy ny FTM ary ny Cosfa sy ny 3FB. Afaka valo andro, hanomboka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny manasa-dalana , fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Top 20”, taranja […]
Tetikasa Kopakelatra : mpiasan’ny Star 800 nanadio
Ankalazaina isaky ny 16 septambra ny Andro maneran-tany ho an’ny fanadiovana (World Clean Up Day). Nanamarika izany hatrany ny orinasa Star, tato anatin’ny dimy taona. Ho an’ity taona 2023 ity, manodidina ny 800 ny mpiasa manerana ny Nosy, nanadio ny manodidina sy ny lalana ary ny toerana iraisan’ny daholobe, tamin’ny […]
Kitra – « D2 National » : fandresena iray dia tafita ny JSA Ihorombe
Notanterahina omaly, tany Mahajanga sy Antsirabe, ny andro fahatelo, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra eto Madagasikara. Maka fandresena iray sisa, tafita amin’ny dingana manaraka ny JSA Ihorombe. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, izy ireo sy ny AS Jet Bongolava. Manana isa fito ity klioban’Ihorombe izay mifaninana any […]
Rugby – «Mondial 2023»: tsy afa-milalao i De Groot
Fahavoazana goavana ny an’ny All Blacks Nouvelle-Zelande, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2023”, taranja rugby. Fifaninanana tanterahina any Frantsa. Tsy afaka milalao amin’ireo ambin-dalao roa ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona mantsy i Ethan De Groot, mitana ny toeran’ny “pilier”. Noho ny karatra mavo nivadika ho karatra mena azony, […]





