Misitraka ny fandaharanasan’ny Fiba Afrika, eo amin’ny lafiny fampiofanana ny tanora mpanao basikety sangany eto Afrika, i Madagasikara. Mpilalao 4 mianadahy sy mpanazatra 2 no miatrika izany amin’ity volana ity. Nanomboka omaly 20 septambra, any Bamako Mali, ny fiofanana « Camp de basket-ball d’élites ». Malagasy 3 lahy no solontenan’i Madagasikara, miatrika […]
Fanatajahantena
SOKA Club: miditra an-tsehatra amin’ny kitra afrikanina ny Telma
Manomboka izao, afaka hiaina ireo vaovao eto Afrika ireo mpankafy. Azo atao izany amin’ny fidirana ao amin’ny SOKA Club, sehatra an-tserasera voalohany manangona sy manao varotra ary milalao amin’ny alalan’ny karatra niomerika misolo tena ireo firenena afrikanina 54. Misy ny SOKA Heroes, amin’ny fampiasana ny teknolojia NFT (non-fungible token). Misy […]
Basikety – “BAL” : hanampy ny Cospn i Bishop Michael Coulter
Hiatrika ny fifaninanana “Basket ball Africa League (BAL)”, dingana voalohany, ny 1 hatramin’ny 8 oktobra izao ny ekipan’ny Cospn. Ekipa tompondakan’i Madagasikara farany ka voatsonga hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity. Vaovao voaray teny anivon’ny klioba fa hanatevin-daharana indray ny Cospn, ilay mpilalao basikety amerikanina, i Bishop Michael Coulter. […]
Kitra – Fitantanana ny Barea de Madagascar : mety ho tohizan’ny FMF ny fiaraha-miasa amin’ny Me Rôrô
Tsy mbola voatendry hatramin’izao izay ho mpanazatra ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fanohizana ireo lalao iraisam-pirenena manaraka. Mifamahofaho be ny resaka saingy heno fa mety ho ny Me Rôrô ihany no hotazomin’ny FMF. Tsy manana mpanazatra ny Barea de Madagascar amin’izao fotoana izao. Tsy mbola nisy fanendrena nataon’ny Federasiona […]
« Mondial Jiu-Jiutsu Bresilien »: mpikatroka 22 miatrika fampivondronana
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Jiu-Jiutsu, afaka fotoana fohy, ny Malagasy mpikatroka eo amin’ity taranja ity. Ho fanomanana izany fifaninanana goavana izany, mpikatroka 22, avy amin’ny klioba 7 no mivondrona, hitiliana izay hisolo tena an’i Madagasikara. Ny Federasiona malagasin’ny JJB no mikarakara izany fampivondronana izany, izay manao […]





