Rava ny nofinofin’ny Makis de Madagascar, lehilahy, eo amin’ny fiatrehana ny “lalao Olympika (JO 2024)”, taranja rugby lalaovina olona 7, tanterahina any Paris France. Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana mantsy ny lalan-dry zalahy. Nosakanan’i Zimbabwe ny lalan’ny Makis de Madagascar, ka tsy afaka ny hiatrika ny lalao Olympika, tanterahina any […]
Fanatajahantena
Tsipy kanetibe – «Mondial 2023»: tsy hita tao anaty lisitra ny Malagasy
Nifarana omaly alahady 17 septambra tany Benin, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tsipy kanetibe sokajy “senior” lehilahy. Tsy tao anaty lisitry ny firenena nandray anjara i Madagasikara. Voalaza fa noho ny fahataran’ny fisoratana anarana ny anton’izany. Efa tamin’ny volana avrily ny fandefasana ny anaran’ireo hiatrika izany. Noho ny […]
Tenisy ambony latabatra : Tompondakan’i Afrika eo amin’ny isan-tarika, lehilahy, i Madagasikara
Nampakatra avo ny lazan’i Madagasikara taty Afrika indray ny taranja tenisy ambony latabatra. Voahosotra ho tompondaka mantsy ny ekipa olon-droa miaraka, lehilahy, nahitana an’i Antoine sy i Fabio. Fifaninanana, natokana ho an’ny sokajy “senior” lahy sy vavy. Nifarana omaly alahady tao amin’ny efitrano Omnisport de Rades, Tunisie, ny fiadiana ny […]
“The distinguished gentleman’s drive”: hiady amin’ny homamiadan’ny prostaty
Hiditra amin’ny andiany fahatelo ny “The distinguished gentleman’s drive 2023” na fanehoana sy filatroan’ireo fiara tranainy. Hotanterahina ny alahady 24 septambra ho avy izao izany ka hampiantrano ny hetsika ny tanànan’ Antananarivo, amin’ ny alalan’ny kaominina. Io no nampahafantarin’ny “Iconique.mg” mpikarakara ny hetsika tamin’ny mpanao gazety, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao […]
Basikety-“N1B vehivavy” : vonona hitazona ny toerany ny MB2All
Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana anio, any Mahajanga, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly “N1B”, sokajy vehivavy. Anisan’ny tafakatra hiatrika izany ny ekipan’ny MB2All Analamanga, rehefa nandresy ny Dunamis, tamin’ny isa 62 no ho 54, teo amin’ny ampahefa-dalana. Vonona ny hitazona ny toerany ity ekipan’Analamanga ity, araka ny nambaran’i Anja, mpilalao ao […]





