Fanatajahantena

Mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy : nitsidika ny Lapan’ny Tanàna Analakely

Nitsidika ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireo delegasiona avy amin’ny firenena 7 mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, ao anatin’ny “Volet Jeunesse”, omaly. Nanangan-tsaina niaraka tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina Anta­nanarivo Reni­vohitra ihany koa izy ireo. Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ny lalaon ‘ny Nosy atao eto amin’ny firenena. Anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo koa […]

Sehatra ho an’ny tanora: niakatra an-dampihazo ny avy ao Comores sy Maldives

Notanterahina omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora, ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Ireo tanora avy ao Comores no nisantatra ny sehatra, narahin’ny avy ao Maldives, ny tontolo andron’ny omaly. Tao anatin’ny hafalina sy haravoana tanteraka no nahatontosan’izany rehetra izany, taratra teny amin’ny endrik’ireo […]

Atletisma: hiatrika famaranana avy hatrany i Nanie

Hanomboka anio ny fifaninanana eo amin’ny taranja atletisma. Eny amin’ny kianja Alarobia, no hanatontosana izany. Hisantatra ny fihaonana ny famaranana eo amin’ny halavirana 10 000 m, sokajy vehivavy. Manana solontena telo mirahavavy ny Malagasy, amin’ity. Anisan’izany, i Em­ma, tompondakan’i Madaga­sikara farany, miampy an’i Chantal sy i Oliva. Raha tsiahivina, efa […]

Badminton: resin’i Maurice i Madagasikara

Nihintsana teo amin’ny dingana manasa-dalana ny ekipa malagasy isan-tarika, lehilahy, teo amin’ny taranja badminton. Fihaonana notanterahina omaly alatsinainy, teny amin’ny kianja mitafo Zone Forello Tanjombato. Niondrika tamin’ny isa, 3 no ho 0, nanoloana an-dry zareo maorisianina, i Julio Keman sy i Tianarivo ary i Tokinirina. Efa nampoizina ihany ny vokatra […]

Tenisy: tafita amin’ny famaranana ny Akomban’i Madagasikara

Nahazo fahombiazana avokoa ny ekipam-pirenena malagasy Akomba, na teo amin’ny “simple”, lehilahy sy vehivavy. 100% Malagasy ny hihaona amin’ny famaranan’ny “doubles”, vehivavy. Horakoraka sy hafalina no nandraisan’ireo Malagasy mpijery ny Akomban’i Madagasikara, teny Ambohidahy, omaly. Tonga amin’ny lalao famaranan’ny taranja tenisy, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11 ity, ny […]