Fanatajahantena

Basikety 3×3 : noraofin’ny Malagasy ny medaly volamena roa

Nampiseho ny tanjany tanteraka ny ekipa malagasy, niatrika ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, taranja basikety lalaovin’olona 3. Norao­fin’ny Ankoay avokoa ny medaly volamena, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, tetsy amin’ny kianja basikety Mahamasina. Nanjaka tanteraka ny Malagasy, hatrany am-piandohan’ny fifaninanana, ho an’ny taranja basikety 3×3. Tsy nisy afa-bela nanoloana […]

Mitohy ny fahombiazana: Tafakatra 56 ny medaly volamena, 22 ny volafotsy 29 ny medaly alimo norombahan’ny atleta malagasy

Laharana voalohany hatrany i Madagasikara amin’ny fahazoana medaly amin’izao lalaon’ny Nosy, andiany faha-11 izao. Niampy 13 ny medaly volamena omaly. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Madagasikara, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Tafakatra 56 ny medaly volamena, 22 ny volafotsy ary 29 ny medaly alimo, norombahan’ny atleta malagasy. Misasaka […]

Seho an-tsehatry ny tanora: niara-nankafy ny “Bodu Beru” ny rehetra

Tontosa omaly, teny amin’ ny Arena Ivandry, ny andro fa­haroan’ny « Volet Jeu­nesse », na ny seho an-tsehatry ny tanora, mandritra ity lalaon’ny Nosy andiany fahatelo ity. Nisy ny seho an-tsehatra manokana nataon’ny tanora avy ao amin’ny Nosy Maldives, anisan’ny nampahafantarin’ izy ireo tamin’izany ny “Bodu Beru”. Ankoatra izay, nisy ny fampahafantarana […]

Ping-pong : nahazo medaly volamena ny isan-tarika, lehilahy

Tsy nitsanga-menatra ny taranja tenisy ambony latabatra. Anisan’ireo, nandrombaka medaly volamena ihany koa ry zareo, tamin’ny alalan’ny ekipa isan-tarika, lehilahy, nahitana an’i Nativel sy i Zo ary i Luciano. Fihaonana, notanterahina omaly alahady, teny amin’ny kianja mitafon’ny Zone Forello Tanjombato. Resin’i Madagasikara, tamin’ny isa 3 no ho 2 i Maldives […]