Fanatajahantena

Atletisma: mpanjakan’ny hafainganam- pandeha i Claudine

Norombahin’i Nomenjana­hary Claudine ny volamena, teo amin’ny halavirana 100 m tsotra, vehivavy. Azony nandritry ny famaranana natao omaly talata, tetsy amin’ny kianja Alarobia. Tsy nisy naharaka azy ireo mpifanandrina taminy. Vao teo am-piaingana dia efa hita nisongadina i Claudine. Tontosany tao anatin’ny 11 s 42 ampahazatony ny hazakazany. “Faly satria […]

Kitra – Barea de Madagascar: tapitra hatreo ny lalaon’ny Nosy ho an’i Fabien Boyer

Nanatanteraka fivoriana tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny kaomisionina misahana ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja baolina kitra. Tsy afaka manohy ny fifaninanana i Fabien Boyer. Taorian’ny antsapaka ho an’ny manasa-dalan’ny lalaon’ny Nosy, amin’ny taranja baolina kitra, nisy ny fivoriana nataon’ireo kaomisionina miandraikitra ny baolina kitra, tetsy amin’ny kianja Barea […]

Lohalaharana hatrany: Medaly volamena 66, volafotsy 33 ary alimo 37 ho an’i Madagasikara

Lohalaharana hatrany i Madagasikara amin’ny filaharana ankapobeny. Medaly volamena 66, volafotsy 33 ary alimo 37 no azon’ireo Malagasy mandray anjara. Teo amin’ny taranja fibatana fonjamby, nifarana omaly ny fifaninanana ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Lohalarana i Madagasikara izay nahazo medaly 56 be izao. Medaly volamena 34, volafotsy 12 ary […]